RY 105, RY 107 !

Nankaiza, nankaiza ireo dimy amby zato?
Sa tena efa sokina nanani-bato,
Ka azo lazaina fa hoe tapi-dalana
F’efa ny lohany no nitsivalana?

Ahoana àry izany, mankaiza ny dia
Fa tsy tazana ilay hoe demokrasia?
Olon-tokana no indro fa nanao bontolo
Dia indreo ianareo fa nanaiky daholo?

Ity ‘lay raikalahy nidi-tsehatra koa
Dia mifanahin-dalitra ka mankandoa,
Fa ny tsy azy mihitsy no indreo notsabahiny
Ka dia nihintsana ilay voninahiny!

Izany koa ve no mba antenimiera,
Sa efa dia tena “mivadika orera”?
Moa tena mibahana ao ny kolikoly,
Ny tsy ara-dalàna sy ny asan-devoly?

Mifarana ve ny an’ny dimy amby zato?
Sa mbola hitamberina indray ato ho ato,
Satria tsy mijanona hatreo ny tsikera
Fa miditra indray ireo ekipan’ny “lera”?

Dia ahoana koa ny amin’ny fito amby zato,
Sa nisy dia nisy ny nangala-bato?
Moa ‘nareo rehetra mijoro eny ambony
Dia tena efa tsy azo itokisana intsony?

DADAN’i ZINA (28-02-23)