Depiote Feno teny Ankatso – Nanao famelabelarana momba ny fahantrana eto Madagasikara

Isambilo

Vahiny nasain’ny lalam-piofanana momba ny fiarahamonina na sociologie teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Ankatso, afak’omaly, ny depiote avy amin’ny antoko TIM ao amin’ny Boriboritany faha-3, Feno Ralambomanana.

Famelabelarana narahina ady hevitra, na “Conférence débat”, mikasika ny fahantrana eto Madagasikara sy ny Fampandrosoana ny Firenena, no novoaboasany niaraka tamin’ireo mpianatra nandritra izany. Izy koa no nosafidian’ireto farany ho Ray Mpiahy azy ireo amin’ny “sortie de promotion”, na ny fivoahan’izy ireo rehefa vita ny fianarany eny amin’ny Anjerimanontolo.

Nanome voninahitra ny fotoana ny solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM, ao amin’ny Boriboritany faha-6, Andriamampandry Todisoa.