TSY METY AMINAY INTSONY

Ny anay efa tongotra mby an-dakana,
Na iza hijoro sy hanelingelina.
Tsy hanova inona inona raha izay sakana,
Tsy mety aminay intsony Rajoelina!

Na mbola hisy vola haparitadritaka
Na koa fanomezana hozaraina,
‘Zahay efa leon’ny toky fitaka
Ka indro mijoro fa tonga saina!

Tsy maintsy faranana ny hetraketraka,
Satria raha mitohy dia vao mainka ho loza.
Ary rafitra tsara no ‘ndeha hapetraka,
Dia rafitra tsisy tamingam-poza.

Avia mivondròna ry mpianakavy
Fa tsara ny mba mampitovy feo,
Ary ny firariana, amin’ny taona ho avy:
Tsy hisy Rajoelina mbola ho eo!

TSIMIMALO (25-02-23)