Kolontsaina – Marary mila tolo-tanana i Thierra Bruno

Niaina

“Tianao va ? Ravoro-madin’irony. Tsipolitra,…” Anisan’ny hira nahafantarana an’i Thierra Bruno avokoa ireo hira ireo. Marary mila tolo-tanana amin’izao fotoana ity mpanakanto manana ny lazany ity, ka iantsoana izay voatsirambin’ny tanana amin’ny malala-tanana ny fanampiana amin’ny fitsaboana azy, noho ny aretina izay mahazo azy amin’izao fotoana.

Noho izay antony izay, nanatanteraka tolo-tanana ho azy ny antoko TIM Antananarivo Atsimondrano ny sabotsy teo, teny amin’ny Magro Tanjombato. Tsy misy manana ny ampy tokoa, fa sambatra izay mifanampy.