TIM Nosy-Be – Miantso ny filoha Ravalomanana hirotsaka hofidiana

Stefa

Nanatanteraka fihaonana ny mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), any amin’ny distrikan’i Nosy-Be faritra Diana ny faran’ny herinandro teo. Niray feo izy ireo nandritra izany, niantso ny filoha Marc Ravalomanana hirotsaka hofidiana ho filohampirenena indray, amin’ny fifidianana ho filoha amin’ny volana novambra amin’ity taona ity.

Arak’izany, mihetsika avokoa amin’izao fotoana, ireo rantsamangaikan’ny antoko TIM manerana an’i Madagasikara, araka ny toromarika nomen’ny filoha Ravalomanana. Nisy ny fivoriana nataon’izy ireo tany Hell-Ville ny alahady 25 febroary 2023 teo, nandinihana ny hetsika atao hampandehanana bebe kokoa hatrany ny antoko TIM. Nandritra izany, niditra nivantana tamin’ny alalan’ny telefônina ny filoha Marc Ravalomanana. Teo no nilazany ny mpikatroka Tim, hanentana ny olona rehetra feno taona hiditra ao anaty lisi-pifidianana.