28 Febroary – Taratasin’ny mpamaky

Soso-kevitra ampitaina amin’ny gazety izao manaraka izao :
Fifidianana filohampirenena eto Madagascar – famindrampahefana sy famindrampitanana ny 26 jiona isaky ny 5 taona!

Manonofy aho hoe ho avy ny fotoana ka hanao ‘fifamindrampahefahana amim-boninahitra amin’ny 26 juin isaky ny 5 taona ny filoha lany mandat mivoaka ary ny filoha naharesy vao voafidy! voafidy tamin’ny fifidianana madio! izany dia tsy miova tsy mihantona, fa isaky ny dimy taona tsy misy fampifilafilana!

Olana be ny fifidianana: aiza ve koa mbola mifanontany hatrany hatrany ny malagasy hoe hisy ve ny fifidianana izay ho filoha sa tsy ho hisy! tena loza mihantona – tena tsy azo ekena anefa dia izay hatrany hatrany no zava-misy – satria mbola misy safidy ny hanao izany na tsia izay te hitazona ny fitondrana … na dia efa latsaka ankaterena aza ilay firenena!

1) Mangotraka ny adilahy politika satria handeha ny fifidianana (sa tsia) , satria mbola tsy misy mazava mangarahara ny momba azy! loza – tratry ny kilalao maloto ny mpamatsy vola mahazatra – omeko tsy omeko- ny vola ho entimanana hoe – loza tsy ambaratelo fa vazavazaina manerantany “pas de financement pour l’election presidentielle à Madagascar!” mihantona tsy azo omena vola izao fitondrana izao, satria sady mahantra tsy manambola raha ny fanjakana no indrisy hiarahan’ny mpamatsy vola fa be fahalovana mivandravandra be! indrisy indrisy mihitsy e!

2) Tena tsy misy adihevitra – mitetika ny tsy hiala amin’ny fitondrana ny mpitondra ankehitriny dia efa manao paika sy tetika amin’ny ahafahany mahatafita izay hevitra tsy ialana eo amin’ny fitondrana eo. mangarahara be ny momba izany e! tsy misy hiadiana hevitra izany! fahalovana mandifotr’olona – tsy mety intsony ny mpamatsy vola mahazatra… Teo aloha doublons raha avela ho quadriplons?

3) Isan’ny paik’ady mandeha ny ahafahana manao ny hala-bato ary halabato mahitsy sy mazava tsy misy henatra amin’ny fomba rehetra. doublons! triplons! quadriplons tsy mampanahy an’ingahy Rajoelina izany! efa natao ny doublons… talohany mantsy hatramin’ny district nisy nahavita doublons – mbola miakatra kokoa triplons quadriplons no tanjona! ka manahy aho ry havana fa ho maro ny fkt, communes ary districts sy mpidify ho lasa triplons…

4) samy miatrana daholo ny rehetra ary taratra mazava be mangarahara, fa tena maika ny haka fahefahana ny maro – fa tena lavitra be mihitsy ho hisy hiova eto Madagascar! satria dia haka fahefahana no maha maika fa tsy mazava ny fomba hitondrana ilay firenena iaraha manana. Tsotra be, aiza no projets de societes moa an’ireo hilatsaka ho fidiana … sa mbola averina dia hino daholo minoa fotsiny ihany … izao mihinana inona marina moa?

5) Ankehitriny dia nivoaka hoe ny datin’ny fifidianana ny ho filohampirenena. Ny ambony moa dia mbola any ankibon’ny omby! satria hoe tsy misy budget! loza – tsy nisy programmation budgetaire mihitsy! anefa izany budget izany dia nolanian’ny deputes -tsy nasiam-panitsiana tsy nasiam-panovana!

6) Izao mantsy tena manentsin-tadiny ny mpitondra… voatery atsy sy aroa dia manaonao foana! ataovy ny fifidianana dia izay. Mampalahelo tsy misy mihitsy resaka momba ny fananganana fanjakana “nation building” amin’izany hoe fifidianana!

Maro be ny olana amin’io fifidianana io… hany ka “efa matahotra ny maro amin’ny mety ho “sakoroka sy post electorale” ary ny hilatsahan’i Madagascar amin’ny congoisation”, maro ny raha tsy milaoka fa manolotra hevitra ihany aho.

i) 26 juin isaky ny 5 taona – famindrampitantanana ho antoky ny fandriampahalemana, sy ny famindra-pahefahana ao anatin’ny fitoniana!

a) ny fametrahana io daty io tsy miova, ho famindrampahefana dia ahafahana manery ny fanjakana sy ny mpanao politika hiomana ara-bola sy ara-mpandrindrana ary indrindra indrindra amin’ny andraikitra amin’ny fifidianana.

b) io ihany koa dia hanery ny fanjakana sy ny malagasy hanao “planification à rebours”, ka mametraka ny datin’ny fifidianana tsy hiandrasana ny Ceni, na ny ministère ny interieur, na ny Hcc, na ny Presidence! ka tsy hampifilafilana ny malagasy hoe hisy na tsia… izay familafilana mampiseho ny jadona sy fanararaotampahefana hatrany hatrany ataon’ny mpitondra! ka ahafahany mihizitra fa izay tiany ihany io… ka na hanao na tsia fifidianana izy dia izay tiany ihany io! fa tsy hoe adidiny io anie e!

c) isan’ny mahatsara ny hitoeran’izany fanapaha-kevitra izany dia efa lasa ny ‘periode cyclonique ary efa manomboka miakatra ihany koa ny vokatra, ka tsy ho dia ho hambakaina fotsiny amin’ny fividianana mpifidy amin’ny maintso ahitra ny malagasy amin’ny alalan’ny vary mora sy menaka mora sy vola mora angamba?

d) Ankoatry izany – efa fantatra ohatra fa iray volana sy tapany raha ela indrindra no tokony hanaovana ny fihodinana faharoa ao aorian’ny fifidianana fihodinana voalohany. Raha toa ka tapa-bolana ny fampahafantarana ny valim-pifidianana ary hisy iray volana ny famindrana ny fitantanana dia tokony ho 3 volana alohan’io 26 juin io izany ny fifidianana fihodinana voalohany…

Tsy tokony hihoatra ny tapa-bolana ihany koa ny hivoahan’ny valim-pifidianana! satria ny mihoatra izany dia mamporisika ny mpikirakira valim-pifidiana hanova azy!
Ka raha misy iray volana hanaovana famindram-pitantanana dia tsy maintsy tokony hivoaka ny herinandro faran’ny volana mey izany ny valim-pifidianana. Dikany, tsy maintsy atao ny tapaky ny volana martsa na tapaky ny volana aprily izany ny fifidianana fihodinana voalohany izay ho filoham-pirenena raha tara indrindra! ary tsy maintsy mivoaka tanteraka ny valim-pifidianana amin’ny lany raha tara indrindra ny voalohan’ny volana jona!

ii) Ho amin’ny fikarakarana sy ny fanehoana ny valim-pifidianana:
ny fikarakarana ny fifidianana dia miainga amin’ny fahalalana araka ny tokony ho izy marina, ny isan’ny olona tokony hifidy ary koa ny isan’ny mpifidy isaky ny fokontany. Ankehitriny anefa dia manomboka eo ny fanaovana ny sain-dratsy hangalabato.

1) Aoka ho fantatry ny maro aloha fa mbola maro ny “asa maloto = corruption” ataon’ny mpitondra ahafahany mandrombaka ny fitondrana… ankoatra ny fividianana olona.

a) Ireo isan’ny olona afaka mifidy!
– eto Madagascar, noho ny tsy maha tomombana ny resaka “fitantanana ny momba ny ankohonana = administration de l’etat civil” dia maro tokoa ny malagasy no tsy manana taratasy nahaterahana, sy ny karampanondro dia io lasa tadiavin’ny fanjakana io hanaovana kolikoly avo lenta isan’ambarantongany!
Ohatra nomen’ny fanjakana an’ireo olona manana printy miray tambazotra amin’ny mpitondra ambony ny fanontana ny karampanondro. ‘dikany, eo fotsiny dia hisy karapanondro na olona tsy misy “matoatoa” manana kara-panondro! ka handeha hifidy.
– porofon’izany ny ezaka tsy misy fototra mangarahara ilazan’ny fanjakana fa mila manao “jugements suppletifs 3 000 000 sy karapanondro ho an’ireo olona ireo!

b) hatreto dia tsy asehon’ny fanjakana mazava ihany koa ny recensement ny fokontany – averiko tena fahasahiana tsy hita noanoa ny an’ny Praiministra nanao district “fantôme” faritra Soafia ary district de sofia izay tsy misy (anefa namoahana vola ary hatreto tsy nisy olona nanaovana fanadihadiana na meloka noho izany!)
Hatreto izany dia ilaina ny mitaky amin’ny fanjakana ny hanehoana ampahibemaso ny lisitry ny faritra, district, communes, ary fkt, vao miainga ary koa ny isan’ny mpifidy isak’izany fkt izany!

c) Ny fanisana vato – hatrizay eto Madagascar dia tsy mazava mihitsy hoe ahoana marina moa ny isan’ny mpifidy ary aiza daholo ireo mpifidy, voalaza ho mpifidy ireo ka nifidy an’iza sy iza.
Mizara fotsiny aho, tamin’ny andron’ny repoblika voalohany ny andron’ny fifidianana dia amin’ny folo maraina dia efa vita ny fanisana ny vato avy any Kandreho – district iray manontolo io… Nifidy 100 % ary nifidy ny president eo an-toerana 100%!
Mbola zaza fa talanjona hoe dia tsy menatra akory ve rangahy ireto mpanao politika ireto, fa vao maraina tsy tapitra ny ora hifidianana dia efa hoe vita tanteraka ary voaisa ny vato…
Maro be ny tantara efa heno ankoatra ireo… misy efa tena raitra eo amin’io fanisana vato io… vonoina ny labozia na jiro misy, satria dia maro be ny toerana tsy misy electricite eto Madagascar… Hifandrohizana ny taratasy misy ny voka-pifidianana satria ireo solontenan’ny ho fidiana zara raha misy ary ny mahay sy ny manampahefana dia afaka manodina eo ihany koa ny voka-pifidianana… ireny hitanareo ireny tamin’ny rapportage ny Pv de votes …

d) Ka eo aza dia ilaina ny mangaraharaha – mila havoakan’ny mpitondra amina “tableur mazava be daholo ireo faritra, district, communes, fkt ary mpifidy sy ny fitsinjaran’ny vato azo – amin’izay mantsy dia mba hangaraharaha eo ihany koa hoe: misy mpifidy toa inona amina fkt toa inona … ka raha atao ny kajy mazava dia iza tokoa no ho mpandresy…

e) Misy mitaraina mantsy ny “candidat” favori hoe aiza ve rangahy ity ka tamina fkt an-drenivohitra dia “0= aotra ny vatoko” anefa aho nahavita zava-dehibe tao? hala-bato be ve izany sa tena tsy tian’ny olona ilay candidat!

Mila mangaraharaha isika vao afaka miteny…
Ny tena nampalahelo rehefa tratra ny tompon’andraikitry ny Ceni vao hita hoe maro be anie tamin’ireo fkt lavitra andriana, no nisy mpifidy nihoatra ny 100% ary ireo dia nifidy ny candidat lany … io dia avy hatrany dia mitory halabato… tsy misy ady hevitra…
Loza anefa… efa lany nahazo post na president ilay olona! hankaiza intsony ary ny malagasy?

Ka izany rehetra izany no amoahana hevitra etoana… mila miova isika Malagasy, mila miova ny fitondra fanjakana sy ny fizakana ny fahefana…

Tolo-kevitra ny ahy ity… raha tsy misy fandraisana fe-petra mazava toa izao mantsy dia mbola ho afaka foana ny mpanao politika, hilalao ny fiainambahoaka …

Aleo mba hazava tsara ary ka hatomboka amin’ny 26 juin 2024 izao tolo-kevitra izao.

Adl Rah
Mpamaky gazety Ny Valosoa, Antananarivo