Rafenomezantsoa Jean Nirina – Nametra-pialana tsy ho tale jeneralin’ny Fitrama

Stefa

Fitsaboana nentim-paharazana, nametra-pialana tsy ho tale jeneralin’ny Fitrama: Fitsaboana Tradisiônaly Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany fa:”ny Fitiavan-Tanindrazana dia mipetraka ho vahaolana, fa tsy natao ho olana.
Mafy ary mampalahelo ny miala amin’ny ezaka vita izay nandaniana fotoana ary nandaniana herimpo. Nefa ilaina koa ny manandratra sy manome hasina ny lalàna manankery sy ny A.N.T.M ary ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Noho izany, hametra-pialana tsy ho Tale Jeneralin’ny FITRAMA aho.

Ankoatr’izany, taorian’ny naoty navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoka. Dia nanapa-kevitra ny hampiato ny fiofanana arak’asa ireo tanora izay tokony hatao ao anatin’ny 3 volana izahay ato amin’ny Foibe Fitrama. Tianay ny manamafy, fa tsy asa fitsabona nentim-paharazana no nanarahany fiofanana, fa sehatra maromaro samy hafa. Mba hialana amin’ny dika vilana dia hitondra fanazavana feno ara-taratasy amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana ny momban’ny asa ataon’izy ireo izahay, sy ny orinasa hampiasa azy ireo aorian’ny fiofanana. Aorian’io dia hiverina ny fampiofanana azy ireo. Izay marihina hatrany fa tsy misy ifandraisany amin’ny fitsabona nentim-paharazana.”