Primatiora Mahazoarivo – Mitohy ny ady mangatsiaka eo amin’i Christine sy i Christian

Isambilo

Tao aorian’ny fifampiarahabana tratry ny taona ny FIZAFAFI: Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa, tao amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony ny faran’ny herinandro teo dia hita sy tsapa, fa mitohy ny ady mangatsiaka eo amin’i Christine sy i Christian, na ny ady mangatsiaka eo amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa, sy ny Praiministra Christian Ntsay.

Raha ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena nandritra io fihaonambe io, mitaky ny toeran’ny Praiministra ny FIZAFAFI, ho takalon’ny vaton’izy ireo ho an’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy. Midika fa tsy ankasitrahany ny mbola maha-lehiben’ny governemanta an’i Christian Ntsay. Efa hatramin’ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta, ka nahavoriana sonia miisa 105 no nitranga izao disadisa sy ady mangatsiaka eo amin’ny filohan’ny eny Tsimbazaza sy ny eny Mahazoarivo izao, fitsipaham-pitokisana izay najanona noho ny antony tsy fantatra, nefa ny fanaovan-tsonia efa voapetraka toy ireny dia tokony hotohizana hatramin’ny latsa-bato izany. Miha-mamay foana arak’izany ny ady anatiny eo amin’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana, efa noresahana teto amin’ny gazety izany ny herinandro lasa teo. Tsy fifanarahana eo amin’ny ministra Lalatiana sy ny depiote Rossy, fifandrafiana eo amin’ny sekreteram-panjakana amin’ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Serge Gellé, sy ny governoran’ny faritra Sofia ny jeneraly Lilyson René,…

Fa momba ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena ny faran’ny herinandro teo, tsy mitovy hevitry ny Zanak’i Fianarantsoa amin’ny fampidirana politika ao amin’ny fikambanana, ka tsy maintsy ho voazarazaran’ny politika ihany ity fikambanana ity. Tsy vitsy ireo mitsipaka ny fanambaran’i Christine ny faran’ny herinandro teo iny. Tsy nifanarahana ny voalazan’ity filohan’ny andrimpanjakana mpanao lalàna eto amintsika ity, hoy izy ireo.