Asaramanitry ny TIM Atsimondrano – Ny lasa momba ny lasa, hampiombona isika hoy Ravalo

Isambilo

Tontosa ny sabotsy teo teny amin’ny Magro Tanjombato, ny Asaramanitry ny taom-baovao ho an’ny antoko TIM Antananarivo Atsimondrano. Nanotrona ny fotoana ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana, ireo olom-boafidy: depiote avy amin’ny antoko TIM, notarihan’ny depiote voafidy tao amin’ity distrika ity, Alain Ratsimbazafy, ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsaina voafidy avy amin’ ny antoko ao Atsimondrano, ny solontena avy amin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM.

Tonga maro tokoa ireo mpikatroka niatrika izany fotoana izany. Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany fa: “ny lasa momba ny lasa, hampiombona isika. Nanotrona ny fifampiarahabana tratry ny taona 2023 an’ny Tiako i Madagasikara Atsimondrano izay natao teto amin’ny Magro Tanjombato ny tenako, ary nanentana ihany koa ny olom-pirenena, mba tsy hanao ambanin-javatra ny fisoratana anarana ho ao anaty lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany. Zava-dehibe loatra ny mifidy ary tsy tokony hatao ambanin-javatra, raha tena miandràndra fanovana eto amin’ny firenena isika. Hajao ny demokrasia, sy ny fahafahana maneho hevitra malàlaka, araka izay voalazan’ny lalàm-panorenana. Zon’ny olom-pirenena no mifidy, tsara raha malalaka ny rehetra amin’ny fanentanana ny vahoaka hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, ” hoy izy.

Mbola ambany ny tahan’ny olona nisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ao Atsimondrano, hanohy ny fanentanana ny olona hiditra amin’izany lisi-pifidianana izany izahay, hoy ihany koa ny depioten’Atsimondrano Alain Ratsimbazafy. Natomboka tamin’ny fotoambavaka lehibe izao fifampiarabana tratry ny taona tao amin’ny Magro Tanjombato izao, satria : “ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao”, anisan’ny loha-hevitra tamin’izany.