EDITO 28 Febroary – Skoto – Vonona ho mpanara-maso ny fifidianana hatao eto amintsika

Beharo

Maro ireo skoto naneho ny fahatanjahany tao anatin’izay fotoam-pankalazana maneran-tany azy ireo izay, ny herinandro lasa teo iny, ka nanehoany mazava fa na Kiady, na Antily sy Fanilo, na Tily sy Mpanazava dia mpiray dia avokoa eo amin’ny fanandratana ny firenena. Tsy vitsy araka izany ireo olona nilaza, fa mba tsara ihany koa raha izy ireny no omena fahefana hanaramaso ny fifidianana izay ho tanterahina amin’izao taona 2023 izao, satria mba misy trano fivavahana, eglizy sy tempoly avokoa ny tanàna, ary misy ny sampana skoto ao aminy, izay azo inoana fa afaka miandraikitra izany. Teo koa moa ireo nidera ny fiaraha-miasan’ny skoto, izay naneho fa iray tsy mivaky izy ireny, tsy nisalasala naneho izany tamin’ny fahitalavitra iray, izay mahay miara-dalana amin’ny zava-tsarotra sy mora hatrehina.

Raha misy fanisam-bato atao hoy ireo sendra ny gazety amin’ny fokontany iray dia ry zareo no tokony hatao “ARBITRE ” na mpitsara, hasaina miandraikitra ny fanisana sy fampitambarana vokatra amin’ny distrika iray sy mandefa ny tatitra eny am-potony na Ceni ohatra. Ireo skoto nanontaniana dia nilaza, fa tsy olana izany, miaraka amin’ny fiambenana ny toeram-pifidianana iray, satria asa masina sy soa avokoa ary voninahitry ny finoana samihafa.

Mazava araka izany, fa raha tanteraka ny fanirian’ny maro toy izao, fiara-miasa eo amin’ny fokonolona sy ny fokontany, finoana sy ny sampana skoto, dia ho ampy olona tokoa ny toerana iray, mba hilamina ny andro malaza amin’izay fotoana izay. Ny mpitandro filaminana efa manana ny fitafiany, ny skoto manana ny akanjony. Fa ny sisa: izay hivezivezy amin’ny fotoan-dehibe toy ireny dia mba tokony hanana ny Badge famantarana ihany ohatra, dia mba mety hahazo dera sy vokatra tsara ny rehetra amin’izay.