ATAOVY MADIO NY LALAO

Mpitondra o! ataovy madio ny lalao
Fa ‘nareo toa mitady ny hanao “ankamely”?
Tsy aleo hatsaraina ny fomba fanao?
Mijoroa, misehoa mba ho tena modely!

Ny foloalindahy, zaro hanao asa tsara,
Fa aza ofanina hanao loham-boto.
Tsy hisy fivoarana ity Gasikara
Raha izy no mpiaro ireo olo-maloto!

Ny handamina no antom-pisian’izy ireny,
Dia ‘reo miaramila, polisy, zandary,
Fa tsy hokaramaina izy sy ny lehibeny
Mba hiaro ireo vandana na koa ny kary!

Tsy hanao famoretana na koa barazy,
Raha vao misy hetsika mafanafana.
Tsy ‘zany no asa natokana ho azy
Fa ny hampilamina ny eto an-tanàna.

Ka inona no antony hisotasotana
Raha toa fanaikàna mba hamboly hazo?
Sa efa mivoraka rafanjakana
Ka hetsika kely dia mahavoan’ny tazo?

Raha toa fivoriana natao hanentanana
Iretsy vahoaka mba handray adidy,
Dia rariny ve raha asiam-panakanana
Nefa dia zo, tena zo ny mifidy?

DADAN’i RIANA (22-02-23)