Propagandy alohan’ny fotoana – Mampiasa fitaovana sy fahefam-panjakana ry Rajoelina

Andry Tsiavalona

Taom-pifidianana tokoa ity taona 2023 ity, ka manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ny fitondrana Rajoelina Andry, mampiasa ny fahefam-panjakana sy ny fitaovam-panjakana eo amin’ny fanatanterahana izany. Araka ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny Repoblika dia hifantoka amin’ny soasialim-bahoaka ny governemanta, ka hanao tomban’ezaka isan-telo volana sy isan’enim-bolana, hono, ho an’ireo mpikambana vao notendrena.

Angamba efa nanao tomban’ezaka ny filohan’ny Repoblika ho an’ireo mpikambana voatazona amin’izao fotoana izao. Tsara ho marihana mantsy fa efa nodradradradraina foana izany rehefa nanao fanovàna mpikambana vitsivitsy in-dimy izy, tato anatin’ny efatra taona nitondrany izay. Ny hita sy tsapa dia tsy manao fanentanana ny olompirenena manana zo hifidy hanamarina na hisoratra anarana ao anaty lisitry ny mpifidy no ataon-dRajoelina Andry sy ny TGV ary ny mpanohana azy, fa na mizara vary masaka na manome zezika sy masomboly, na mizara koveta sy fitaovana an-dakozia ho an’ny traboina toy ireny manao fampielezan-kevitra ireny.

Angamba efa mahazo antoka tokoa Rajoelina Andry, fa efa mandry ny tetika rehetra handreseny amin’ny fifidianana raha ny lisitra ataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) amin’izao fotoana izao. Raha ny fandikan-dalàna, indrindra ny Lalàmpanorenana, nataon’ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao dia efa tokony ho hitany sy mivandravandra eo imasony izany fihetsika izany, ka hamoaka didy tsy azo ivalozana izy fa miala amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy ny filoha.

Nampanantena ihany koa ny filohan’ny Repoblika fa handefa fiarakodia haka “vehivavy” ho tsongaina hiakatra eto Antananarivo homena fiofanana amin’ny 8 Martsa, andron’ny vehivavy. Torak’izany koa ny Praiminisitra, izay notsipahin’ny solombavambahoaka dimy ambizato ny fitokisana azy ka tokony efa niala. Tsy mahagaga raha nikabary amin’ny hametrahana Praiminisitra avy any Fianarantsoa ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2023 tamin’ny zanak’i Fianarantsoa. Midika izany fa tsy sitrapony velively ilay nanao taratasy naneho, fa tsy nahafeno ny fepetra ny nanaovana ilay Fitsipaham-pitokisana ary nisy sonia nangalarina, satria mifanohitra ireo tranga roa ireo, izany hoe efa tokony ho nesorina teo amin’ny toerany ny Praiminisitra ary efa tokony ho nametra-pialàna ny governemanta iray manontolo.

Nanao fambolenkazo ny TGV any Manjakandriana izay adidin’ny olompirenena rehetra izany tsy anavahana, saingy ny mahamenatra dia mbola sahy nilaza ny mpitarika ity antoko ity, fa ny ady any Ukraine sy ny valanaretina covid-19, hono, no niteraka izao fahantrana sy krizy isany-karazany misy eto amin’ny Firenena izao. Etsy an-kilany kosa dia manao mitranga mihemotra toy ny fanaony ny filohan’ny Repoblika raha nilaza tany Mananjary, fa eo anilan’ny vahoaka mandrakariva izy ary hanarina ny fotodrafitrasa simban’ny rivodoza Freddy na dia nilaza aza fa ny sosialim-bahoaka no hifantohan’ny fitondrana. Tsapa avy amin’izany fa tia manao dika mitovy amin’ny nataon’ny Filoha, Ravalomanana Marc, Rajoelina Andry amin’ity hetsika karakarainy ity. Fampielezan-kevitra no ataony kanefa manaporofo izao, fa tsy matotra ny filohan’ny Repoblika eo amin’ny fanapahan-kevitra rehetra raisiny, ka tsy mendrika haverina eo amin’izany toerana izany intsony.

Nanampy ny fitotonganan’ny fitiavan’ireo nanohana ny filohan’ny Repoblika kosa, etsy andaniny, ny fanakatsakanana ny hetsiky ny antoko Tim tao Behoririka, sy ny nandefasana herim-pamoretana tsy namela ireo olompirenena nijanona sy nifampiandry teny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka teo, fa nandroaka azy tonga dia namonjy avy hatrany ny toerana nanaovana ny fambolen-kazo. Tsy nahasakana ireo mahatsiaro tena ho manana adidy amin’ny firenena manoloana izao fahapotehan’ny tontolo iainana izao. Fanehoana firaisan-kina ireo hetsika ireo, ka tsy tokony hifanilikilika sy hifanaratsy izay rehetra mihevitra fa tsy azo ekena intsony ny hiverenan’izao fitondrana izao eo amin’ny fitantanana ny Firenena.

Izay miaro ny harena azony tamin’ny tsy rariny sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ka miaro izany tsy hiverina sy ho sitrahan’ny vahoaka no mbola mikiry sy manao izay ho afany hampandaniana indray an-dRajoelina Andry. Ny hery anefa tsy mahaleo ny fanahy hoy ny fahendrena Malagasy, ka raha ny marina, tsy tokony ho tafaverina eo amin’ny fitondrana intsony izany Andry Rajoelina izany ao aorian’ny fifidianana filohampirenena amin’ny novambra sy desambra amin’ity taona ity.