Vondrona Panorama tetsy Soarano – Fadio ny mbola hifidy Rajoelina, hoy Roland Ratsiraka

Niaina

Nifampiarahaba tratry ny taona vaovao tetsy amin’ny PK 0 Soarano ny avy amin’ny Vondrona Panorama: Paik’ady ANOrenana ny RAhampitson’i MAdagasikara ny alakamisy teo. Ny vondrona Panorama, izay ahitana fikambanana sy antoko politika miisa 17.

Nahitsy sy nafonja ny teny nataon’ny Filohan’ny antoko MTS (Malagasy Tonga Saina), Roland Ratsiraka, Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny disitrikan’i Toamasina I raha nampita hafatra ho an’ny vahoaka malagasy teo anatrehan’ny mpanao gazety nandritra izany. “Amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny faran’ny taona ity dia aza misy mifidy an’io Prezida Andry Rajoelina io isika vahoaka malagasy fa olona mpamitaka, mpandainga io. Aleo hijery olona fa raha Filoha ankehitriny aloha tena tsy misy ilana azy intsony”, hoy i Roland Ratsiraka.

Nisolotena ny filohan’ny antoko TIM Marc Ravalomanana nandritra ity fotoana ity kosa ny depioten’Ambohidratrimo Mamy Rabenirina, mbola nanentana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny tenany, ilaina ihany koa hoy izy ny fifampiresahana sy ny fifampidinihana mba hisian’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra, amin’ny fifidianana filohampirenena amin’ ny faran’ity taona ity eto amintsika.

Marihina fa nosakantsakanan’ny mpitandro filaminana ihany koa, io hetsika fifampiharabana tratra ny taona, nataon’ny vondrona Panorama tao amin’ny PK 0 io.