Alasora Avaradrano – Ho averina amin’ny kaominina ny labatoara lasan’ny sinoa

Nangonin’Isambilo

Mitohy ireo ezaka efa natao amin’ny fanaovana foto-drafitrasa ao amin’ny kaominina, hoy ny ben’ny tanànan’Alasora Avaradrano, Jimmy Randriantsoa, tafaresaka tamin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Mahakasika ny labatoara izay an’ny kaominina, fa namidin’ny mpitondra teo aloha tamin’ny sinoa, miezaka ny mifampiresaka ny hamerenana izany amin’ny kaominina Alasora amin’izao fotoana ny mpitantana ny tanàna, satria ny teo lasan’ny sinoa, ny labatoara vaovao anefa tsy vita.

Ezaka mbola ho tohizana amin’ity taona ity hoy ny ben’ny tanàna, ny fanomezana jiro ireo fokontany mbola tsy misy izany dia ny any amin’ny fokontany: Mahitsy, Ankadievo, Mahatsinjo, izany dia ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny kaominina koa. Ezahana hasiana jiro avokoa ireo lalambe aloha, izay vao hiditra amin’ny any an’elakelantrano. Eo amin’ny lafiny fanabeazana, mitohy ny fanatsarana ireo sekoly efa ratsy ao amin’ny kaominina. Ny trano sekoly, ravan’ny rivodoza tamin’ny taona 2021 dia eo am-pitadiavana mpiara-miombon’antoka ho fanarenana izany izy ireo amin’izao fotoana. Ho fampakarana ny tahan’ny afaka fanadinam-panjakana ao amin’ity tanàna ity, hitohy ny fanaovana cours maimaimpoana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana BEPC sy bacc. Hisy hatrany koa ny fiahiana ara-tsakafo ireo mpianatra hanala fanadinana CEPE. Ny fanamboarana sy fikojana ny lalana dia mitohy mandavan-taona ao Alasora. Ny fanadiovana ny tatatra sy ny lakandrano, efa tamin’ny maintany no nanatanteraka izany ny fiadidiana ny tanàna ho fiatrehana izao fotoam-pahavaratra izao.

Nambaran’ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa ihany koa, fa mahavelontena ny kaominina Alasora, satria isaky ny faha-20 ny volana hatrany dia mandray karama ny mpiasan’ny kaominina. Ny hoenti-manana amin’ny fanaovana foto-drafitrasa no tsy ampy, ilana fanampiana amin’ny mpiara-miombon’antoka, hoy izy. Miha-tsara hatrany ny fampidiran-ketra ao amin’ity kaominina ity, raha 10% tamin’ny taona 2020, niakatra 37% tamin’ny taon-dasa 2022, ary heverina mbola ho tsara kokoa noho izany amin’ity taona 2023 ity.