Anosizato – Lasa ny lisi-pifidianana, nisy namaky ny biraom-pokontany

Stefa

Tranga mahavariana sy mampieritreritra no nitranga tao Anosizato, heverina fa tsy asan-jiolahy tsotra fotsiny no nitranga, fa asan-jiolahy politika mihitsy ihany koa. Nisy namaky ny biraom-pokontany tao Ambanimaso Anosizato, ka lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny lisi-pifidianana.

Manontany tena ny rehetra, tsy halatra tsotra no nisy, fa heverina fa nisy mpanao politika naniraka ireo olon-dratsy haka ny lisi-pifidianana tao amin’izany biraom-pokontany izany. Ny ankamaroan’ny mpanao politika anefa amin’izao fotoana dia samy manentana, ny amin’ny hisoratan’ny rehetra anarana amin’ny lisi-pifidianana, ho an’ireo rehetra izay feno taona, ka tokony hifidy.

Iza no manana tombontsoa amin’ny fanaovana ankasomparana amin’ny lisi-pifidianana izao? Ny fanadihadiana sy ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana no hamaly izay. Ho hitantsika eto ihany ny ho tohiny.