Fifampiarahaban’ny TIM Antananarivo – Voasakana teny Behoririka, nirohotra nankeny Bel’Air

Isambilo

Araka ny fandaharam-potoana efa nalefa tamin’ny onjampeo, sy ny fahitalavitra ary ny gazety tamin’ity herinandro ity, tokony hifampiarahaba tratry ny taona, tao amin’ny Magro Behoririka omaly, ny avy amin’ny antoko TIM avy amin’ny Boriboritany miisa 6 eto Antananarivo Renivohitra.

Vao maraina anefa omaly io, feno mpitandro filaminana ny nanodidina ny Magro Behoririka, nanakana ny fidirana tao amin’ity toerana ity. Na nisy aza ny fifampiraharaharahana nataon’ireo depiote TIM, notarihan’ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, tsy hita ny marimaritra iraisana, ka dia nirohotra nandeha an-tongotra avy any Behoririka, nihazo ny foiben-toeran’ny TIM teny Bel’Air Ampandrana ny rehetra. Namakivaky an’i Behoririka, Tsiazotafo, Rasalama, Ampandrana ary tonga tao Bel’Air.

Noho izay antony izay, tonga tampoka tao nanotrona ny rehetra efa vory lanona tao, ny filoha Marc Ravalomanana. Nambarany tamin’izany ny tsy tokony hanomezana tsiny ny mpitandro filaminana, baiko no azon’izy ireo hoy izy. Na izany aza, naneho alahelony toy ny rehetra izy, satria Asaramanitry ny taom-baovao no saika hankalazaina tao Behoririka, toy izany koa ny mbola fanentanana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ary ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana amin’ny maha-lanonan’ny taom-baovao azy.

Hoy indrindra ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany: “Na eo aza ireo sakana sy ramatahora, miroso hatrany isika hanentana ny olom-pirenena hanoratra anarana ao anaty lisitry ny mpifidy. Na inona na inona sakana dia tanteraka foana ny fivoriana ataontsika, satria Andriamanitra no momba antsika.” Tsy tontosa tao Behoririka ny fihaonana, ka dia izao nafindra teny Bel’Air izao. Na izany na tsy izany, fahombiazana no azo ilazana iny hetsiky nataon’ny antoko TIM omaly iny, satria mpikatroka maro no nanatrika izany, nanomboka teny Behoririka, ka hatreny Bel’Air.