Tsy misy mpiaro fa voailika ny vahoaka madinika

Sôh’son

Tsy vonona ny hiaro ny madinika sy ny sarambabem-bahoaka izao fitondrana Rajoelina izao. Manaporofo izany indray ny zava-mitranga eny Ampefiloha akaikin’ny Cnaps eny, izay misy ireo mpivarotra maro isan-karazany efa teo hatrizay elabe nanao fihariana teo.

Niaraha-nahalala tsara noho ny fampahafantarana nataony, fa mandalo olana mafy izy ireo, satria tadiavina ailika eo amin’ny toerany hidiran’ny mpanambola. Fotoana elaela no nanaovan’izy ireo fanoherana izany sy ny nanamporofoiny fa izy ireo no nanajary izany toerana izany nandritry ny taona marobe. Niaraha-nahita ireo banderole napetrak’izy ireo naharitra teny amin’ny tafon’ny toeram-pivarotany. Tsy nisy dikany avokoa anefa ny ezaka nataony raha ny fahitana ny zava-misy eny an-toerana amin’izao fotoana izao. Nijoro sy nijoalajoala ny tranobe vaovao, ary haingana dia haingana tokoa ny famitana azy na dia mbola tsy vita hatramin’ny farany aza. Ny nitranga, voailika ireo mpivarotra madinika marobe nanamorona ny sisin-dalana rehetra tamin’io toerana io. Izany hoe, resy ilay vahoaka, tsy nisy mpiaro, notazanin’ny fitondrana lavitra fotsiny, fa tsy nisy fepetra noraisiny na kely aza. Midika izany, fa misy ampahana vahoaka vaovao indray, voatohintohina ny fihariany sy ny fivelomany, fa ny toerana an’ny mpanambola mpanefoefo eto amin’ity firenena ity.

Tsy nivonona hanatsara ny fiainam-bahoaka izao fitondrana izao. Porofo iray mitohoka amin’ny tendany io zava-misy eny Ampefiloha io. Fihatsarambelatsihy sy lainga bevava raha mbola miteny izany izao fitondrana izao. Asakasak’izay mbola voafitaka amin’izany, ka hanao vain-drahalahy tsy maharary. Raha mbola mitohy izao fitondrana izao, dia inoana fa mbola hitombo ireo ho voailika amin’ny toerana misy azy izay anaovany fihariana. Izany ny toe-javatra iray manjo ny vahoaka malagasy tato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, ary santionany ihany io nambara io.