EDITO 25 Febroary – Ady any Ukraina – Momba ny atsy, momba ny aroa indray i Madagasikara

Niaina

Mivadibadika beny ihany ny diplaomasia Malagasy amin’izao fotoana, midika ho tsy fahamatoran’ny mpitondra eto amintsika mihitsy izany. Fantatra indray izao fa momba ny atsy, sady momba ny aroa i Madagasikara amin’ny ady any Ukraina. Nisy ny latsa-bato mahakasika izay ady eo amin’ny Rosiana sy ny Ukrainiana izay tamin’ity herinandro ity, tany New-York misy ny foiben-toeran’ny Firenena Mikambana. Faninefany tao anatin’ny herintaona izao ny Firenena Mikambana no manameloka ny fanafihana ataon’i Rosia an’i Ukraina.

Afak’omaly, ireo firenena 193 mpikambana no nifidy indray ny fanerena avy hatrany ny miaramila Rosiana hiala any Ukraina, ka anisan’ireo firenena nanaiky izany i Madagasikara, nandatsa-bato nankato, izany hoe manameloka an’i Rosia. Nefa volana vitsy izay, nilaza ho tsy momba ny atsy, tsy momba ny aroa i Madagasikara, nefa ny ministry ny raharaham-bahiny tamin’izay fotoana izay efa nanameloka an’i Rosia, ary niafara tamin’ny fanalana ity lehiben’ny diplaomasian-tsika teo aloha ity mihitsy moa izany fanapahan-kevitra noraisina tany New-York izany. Izao anefa dia manameloka an’i Rosia indray i Madagasikara, miaraka amin’ny be sy ny maro ihany. 7 kosa ireo firenena nanohitra dia i Rosia, Biélorussie, Syrie, Korea Avaratra, Mali, Nicaragua, Erythrée. 32 kosa ireo firenena tsy naneho hevitra, ka anisan’ireny i Chine sy Inde.

Ny governemanta sinoa dia nangataka amin’ireo firenena 2, mba tsy hanafika ny olon-tsotra ary tsy hampiasa fitaovam-piadiana nokleary. Nitsingerina omaly 24 febroary ity adin’ny mpirahalahy any Ukraina sy Rosia ity, noho ny ady tany, ady sisintany, ady faritany. Efa maro hatreto ny fahavoazana, na ny olona maty izany, na ny fahapotehan’ny foto-drafitrasa isan-karazany, fanirian’ny maro ny hitsaharan’izao ady izao, satria misy fiantraikany amin’ny toekarena sy ny sosialy eran-tany izany.