24 febroary 2023 – 10:30 – Magro Behoririka – Nosakanan’ny mpitandro filaminana indray ny antoko TIM

Ny Valosoa

Ny Valosoa

Nosakan’ny fitondrana indray ny fototana nokarakarain’ny antoko Tiako I Madagasikara nokasaina atao ao Magro Behoririka izao maraina izao. Hetsika nentina hanentanana amin’ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana, no sady fotoana hifampiharabana amin’ny taona vaovao arahina nofon-kena mitam-pihavanana.

Rakotra mpitandro filaminanana ny Kianjan’ny Fanantenana manakana ny olona tsy hiditra ao anaty ny toerana, na dia efa nisy aza ny taratasy nalefa tany amin’ny tomponandraiktry ny fitondranana mpanatanteraka, dia ny praiministra Christian Ntsay izany. Nahazo dika mitovy ny CENI, ary koa ny prefen’Antananarivo izay nanome halalana, fa dia izao endrika fahalemena sy tahotra ny antoko TIM indray no zava-nisy.

Nampiseho fahendrena ireo tomponandraikitra, ka avy hatrany dia nisy ny fandaminana hihazo ny QG Bel’air nanao dia an-tongotra, izay efa tonga any soa aman-tsara.

Ny vokatr’izay dia vao maika mazava ho an’ny vahoaka ny antony tokony hisoratana anarana anaty lisi-pifidianana ary tonga hifidy amin’ny fotoana mba tsy hiverenan’izao fiainana feno fanaparam-pahefana sy feno fahoriana izao.

Efa eny an-toerana ny filoha Marc Ravalomanana amin’izao fotoana hanoratana izao.