Antsiranana faha-2 faritra Diana – Aretina hafahafa, omby am-polony no efa maty

Stefa

Misy aretina hafahafa mitranga amin’izao fotoana any amin’ny distrikan’Antsiranana faha-2 faritra Diana, vokany: omby am-polony no efa maty araka ny vaovao voaray. Tranga miseho any Diego II, tsara jeren’ny tomponandraikitra ara-pahasalamana sao hiitatra ny loza.

Any amin’ny kaominina Mosorilava, DISTRIKAN’ ANTSIRANANA faha II, no ahitana io aretin’omby hafahafa io. Tsy vitan’ny misy mivontovonto ny omby fa mamono ny biby tratran’ity aretina ity. Tsy misakafo ihany koa izy ireo ary efa am-polony mahery noho izany no maty noho ity aretina ity.

Raha ny fantatra dia mety hifindra amin’ny olom-belona izy io ary nohamarinin’ireo mponina fa efa misy koa ny olona tratrany.