Magro Behoririka – Fihaonamben’ny TIM Antananarivo Renivohitra rahampitso zoma

Stefa

Fihaonamben’ny TIM Antananarivo Renivohitra rahampitso zoma 24 febroary, ao amin’ny Magro Behoririka, ao anatin’ny fanamarihan’ny boriboritany 6 ny Asaramanitry ny taom-baovao 2023. Mpikarakara izao hetsika izao ireo olom-boafidy: depiote sy mpanolotsaina voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM, ireo avy amin’ny Dis-TIM sy Com-Tim ary Foko-Tim eto an-drenivohitra.

Amin’io fotoana io ihany koa no hanohizan’ny ao amin’ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana, hanentanana ny rehetra mbola tsy tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana ary hanomezana toromarika manodidina ny fifidianana filohampirenena ho avy. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoana rahampitso io ary ny masoandro hilentika no hampalahelo. Manentana ny rehetra tsy ankanavaka ho tonga maro ny mpikarakara.