Rivodoza Freddy – Nandravarava tamin’ny toerana nolalovany

Stefa

Namakivaky an’i Madagasikara omaly tontolo ny rivodoza Freddy. Araka ny tatitra sy ny vaovao voaray, nandravarava tamin’ireo toerana nolalovany ity rivotra mahery vaika ity. Nanomboka tany Mananjary faritra Vatovavy nidirany an-tanety izy no namela takaitra tamin’ny faritra nolalovany, nandalo ny faritry ny afovoan-tany tany amin’ny faritra Amoron’i Mania, Matsiatra ambony, ka hatrany amin’ny nivoahany an-dranomasina, tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana dia maro ireo rava vokatr’i Freddy.

Araka ny tarehi-marika farany navoakan’ny BNGRC, na ny Birao Nasionaly mitantana ny loza sy ny tandindon-doza, olona 4 no namoy ny ainy vokatr’i Freddy, ka ny 3 tamin’ireo tototry ny trano tany Ambalavao faritra Matsiatra Ambony. 16660 kosa hatreto no isan’ ireo traboina.