Fiainam-pirenena – Olom-boafidy sy olom-boatendry

Beharo

Hita sy tsapa tato ho ato, fa nalaza tokoa teo amin’ny sehatra ara-politika ny maha-olom-boafidy na olom-boatendry ny manampahefana iray. Ny mpiara-monina dia mahatsapa, fa ireo izay voatendry hisahana andraikitra ambony hatrany no tena manimba ny fitantanana amin’ny ankapobeny, hoditr’akondron-dRajoelina, toy ny laza ratsin’ny governora, ny fanovana ny Praiminisitra sy ireo minisitra miaraka aminy, izay efa tsy tantin’ny maro tokoa, ka na ireo mpiara-mitolona aminy aza dia manenjika sy manaratsy avokoa. Vao voatendry ireo mpikambana vaovao ao amin’ny governemanta ohatra, dia ry Naivo Raholdina no mbola tsy afa-po, toy izany koa ny depiote Rossy, izay efa naniry minisitra vaovao eo amin’ny zava-kanto sy kolontsaina, nefa dia ny eo ihany no eo. Tsorina fa na ireo marobe ao amin’ny Antenimierandoholona aza dia efa tsy ankatoavin’ny rehetra ihany koa, mandany ny volam-panjakana nefa tsy misy zavatra mivaingana mba vitany, nefa dia mahazo tombontsoa hatrany.

Ny any Bongolava ohatra hafa koa, mitohy tsy an-kiato ny fitakiana ny fialan’ny governora izay tsy hafa fa mpiray antoko amin-dry Lalatiana Rakotondazafy sy ry depiote Fetra Rakotondrasoa ihany, manafintohina ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-monina marobe any an-toerana tokoa, na mpomba na tsia izao fitondrana izao. Ny tao amin’ny Antenimierampirenena moa dia efa hita mazava ireny sonia 105 ireny, fa ny Praiminisitra mihitsy izay notendren’ny filoha no efa tian-dry zareo ovaina, nefa dia ny teo ihany no teo, ary ireo mpanohana ihany koa dia nivadi-dela tamin’ny farany sao very fihinanana sy seza eo angamba. Raha ny zava-misy eto amintsika arak’izany, toa manana ny lanjany ny olom-boatendry noho ny olom-boafidy, ny mifanohitra amin’izany anefa no tokony ho tena izy.