Niangavy ny Praiministra – Aoka tsy ho sakanana ny hetsika politika, hoy ny TIM

Isambilo

Nanatitra taratasy teny amin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, teny Mahazoarivo ny birao politika ny TIM afak’omaly, mikasika ny fanakantsakanana atao rehefa maneho hevitra ny antoko politika, indrindra ny TIM, na ny Tiako i Madagasikara. Aoka tsy ho sakanana ny hetsika politika hoy ny TIM tao anatin’izany taratasy izany. Milaza foana ireo mpitandro ny filaminana, fa baiko avy any ambony no tanterahin’izy ireo, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Rina Randriamasinoro, ka noho izany indrindra no nanatonany nivantana teny ifotony.

Votoatin’izany taratasy izany koa ny mikasika ny asan’ny antoko politika, amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, manoloana ny fanakantsakanana misy. Araka ny lalàna mifehy ny antoko politika, dia manana zo hanao hetsika ho famelomana ny mpikambana ao aminy sy ny olom-pirenena rehetra ny antoko Tim, hoy i Rina. Manan-jo hanao fanentanana sy fanofanana ary fanabeazana ny olompirenena ihany koa izy. Tato ho ato nefa dia tratran’ny sakantsakana sy fampihorohoroana ataon’ny tompom-pahefana foana izay hetsika atao, toy ilay teny Talatamaty farany teo, izay nanomboka teny Faravohitra, niandrasan’ireo mpitandro filaminana ny vavahadin’ny filoha Marc Ravalomanana, ary ny saika hanakanana ny hetsika fifampiarahabana nahatratra ny taona teny Talatamaty distrikan’Ambohidratrimo. Tsy manaja ny « neutralité de l’administration », na ny tsy fombana ny atsy na ny aroa ny Prefet sy ny sefo distrika, satria manome baiko ireo mpitandro filaminana hanakana ny hetsika.

Eo koa ny fampiatoana tsy ara-drariny ireo sefo fokontany sy ireo mpiara-miasa aminy, izay ataon’izy ireo, ka ametrahany izay olona tiany apetraka eo, tsy manaraka ny fenitra. Noho izany, ny antoko Tim dia mangataka amin’ny Praiministra, mba handray ny andraikiny manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna ireo, amin’ny maha lehiben’ny OMC azy.