NY TONTA NO NAVADIBADIKA ?

Mampametraka baraingo ity voalaza ho fanovàna,
Ireo izay efa tsy nahomby no nomena seza indray.
Iza marina no vendrana na koa donto eto an-tanàna?
“Ny miverina amin’ny loany”, ‘zay, tsy misy afa-tsy ‘zay!

Hatramin’ilay “akama henjana” no indro fa nanangan-tsaina:
Saina fotsy izay mitory ny hakiviana sy hatezerana .
Ry vazimba moa tsy laitra fa dia tena nitaraina.
Hita ho ningonongonona, nanao teny tsy am-piheverana!

Ireo nandrasana hoesorina, toa vao mainka koa namahatra.
Inona no zava-miafina, inona no no tena marina?
Raha jerena ireo ekipa izay naverina nalahatra,
Dia tsy vaovao akory fa ny tonta namboamboarina!

…Fa fanovàna tsy mankaiza, tsy hitera-bokatsoa
Ilay notontosaina omaly, dia ilay teny Ambohitsorohitra.
Tena marobe ireo foza no nandrora, nanao “poa”
Ka manan-kevitra hiova sy hivadika ho mpanohitra!

TSIMIMALO (21-02-23)