DREN Menabe – Talen-tsekoly nidoboka am-ponja, nanodina volan’ny FRAM

Rajepa

Notanana am-ponja vonjimaika ny talen’ny CEG CENTRE Morondava faritra Menabe, voalaza fa nihinana ny volan’ny Fram sy ny fanaovana faktiora hosoka. Raha tsiahivina ny tantara dia nitokona ireo mpampianatra tao amin’ny CEG Centre, satria tsy nisy fitaovana enti-mampianatra ny faha 9 janoary 2023 ary nangataka ny hanalana ny talen-tsekoly.

Voasolo ny talen-tsekoly, saingy tsy nivaha ny olana satria tsy nisy vola intsony, ka namory ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny Feffi nanao tatitra ny zava-nisy sy nitady vahaolana, ka niverina nanao volavolam-pandaniana vaovao hahafahana mamita ity taompianarana ity izy ireo, ka mbola mitotaly 6 tapitrisa Ariary no ilaina hahafahana mamita ity taompianarana ity. Tapaka tamin’izany, fa hanao tatitra sy hitady vahaolana eny amin’ny Cisco; rehefa tonga teny anefa ireo biraon’ny Feffi dia tsotra ny valin-tenin’ny sefo Cisco, havorio hoy izy, ireo ray aman-dreny dia asaina mandoa latsakemboka indray, nandà izany anefa ireo biraon’ny FEFFI, ka nangataka alalana tamin’ny sefo Cisco, mba hahafahan’izy ireo mangataka amin’ireo tsara sitrapo toy ny EVEKA, saingy nolavin’ny sefo Cisco. Mahamenatra izany hoy izy, fa andao havory ny ray aman-drenin’ny mpianatra dia lazaina aminy ny zava-misy, ka asaina mandoa latsakemboka indray izy ireo ; navory ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary nolazaina tamin’izy ireo izany saingy tsy nisy nanaiky ireo ray aman-dreny, satria efa nandoa sara-pisoratana tamin’ny fidirana, izay 30.000 Ariary isan-jaza ho an’ny mpianatra tranainy, raha 35.000 Ariary kosa ho an’ireo mpianatra vaovao.

Rehefa tsy nisy ny vahaolana dia nanao fitarainana tany amin’ny BIANCO ireo FEFFI, ka niroso tamin’ny fanadihadiana ny teo anivon’ny Bianco, tamin’izany no nahitana ny fanodinkodinam-bola izay nataon’ity tale ity mitotaly 25.000.000 Ar. Nandritra ny fanadihadiana ihany koa no nahitana ireo rosia hosoka izay natao, nentiny nanamarinany ireo vola laniny. Natolotry ny Bianco ny fampanoavana omaly alarobia 22 febroary moa ny raharaha, ka taorian’ny fakana ambavany dia nampidirina am-ponja vonjimaika ingahy talen-tsekoly izay sady mpandrindra ny GMMMAR: na Groupes Mamy jô Miara-dia amin’i Andry Rajoelina eto Morondava. Arahan’ny rehetra akaiky ity raharaha ity satria maro ireo miezaka miaro ity talen-tsekoly ity ireo tompon-andraikitry ny fampianarana ato Menabe, noho ny loko politika iraisan’izy ireo. Fa ny Bianco aty Morondava dia manao antso avo amin’ny rehetra, hiara-hisalahy amin’izy ireo, mba hanafoanana ny kolikoly. Mbola tsy fantatra aloha hatreto ny fitsarana.

Tsara ho marihina fa miisa 789 ireo mpianatra ao amin’ity CEG Centre Morondava ity. Etsy ankilany dia manao antso avo amin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, satria ireo mpampianatra mitaraina fa tsy misy ny enti-manana hanatanterahan’izy ireo ny fampianarana, ny ray aman-dreny koa sahirana tsy afaka ny handoa vola indray, ka tsy hay ny hiafaran’ny fampianarana ireo mpianatra. Raha ny fanadihadiana natao no nahahalana, fa maro amin’ireo sekoly ato Menabe no sahirana amin’ny fitaovam-pampianarana toy ny tsaoka, satria dia maro ireo volan’ny Fram no nanjavona, misy aza hatramin’ny PASCOMA tsy voaloa, ny volan’ny Caisse ecole anefa hatreto tsy mbola henoheno ny hiaviany, ka ho olana ny famitana ny taom-pianarana ity ato Menabe.