Filoha Ravalomanana mivady – Nizara traikefa tamin’ireo mpiofana ho mpitandrina

Isambilo

Nizara traikefa tamin’ireo mpianatra mpiofana ho mpitandrina, tetsy amin’ny Fakiolte momba ny Teôlôjia tetsy Ambatonakanga ny filoha Marc Ravalomanana mivady ny talata lasa teo. Amin’ny maha-mpandraharaha an’izy mivady ary amin’ny maha efa mpitantana azy ireo teo amin’ny sehatry ny firenena ihany koa, ny filoha Marc Ravalomanana, efa filohan’ny Repoblika, ary Neny Lalao Ravalomanana, efa ben’ny tanànan’Antananarivo.

Loha-hevitr’izany fifanakalozana traikefa sy fampiofanana izany ny hoe: “ny fahantrana sy ny olona maharesy fahantrana”. Nambaran’i Dada tao aorian’ny fotoana, fa “faly aho, tena faly… nomen’Andriamanitra fotoana nahafahako nihaona sy nifampizara taminareo mpampianatra sy Mpianatra mpiomana ho mpitandrina, ny traikefa sy làlana nodiavina ary indrindra tari-dàlana, mba ho olona haharesy fahantrana anie isika”.