EDITO 23 Febroary – Fanovana ministra sasany – Tsy hahavaha ny olam-bahoaka sy ny firenena miha-potika hatrany

Sôh’son

Hitondra inona intsony amin’izay fihatsaran’ny fiainam-bahoaka ny famenoana ny toerana banga, na ny fanoloana minisitra eo anivon’ny governemanta. Fanapahan-kevitra mba hatao fotsiny angaha ka mba atao, fa efa taraiky raha tarafina amin’ny fe-potoana iasan’izao fitondrana izao. Amin’ny fijery iray, dia fihetsika politika hanampena-maso ny vahoaka fotsiny ihany izany, fa efa latsaka lalina tanteraka amin’ny fahantrana sy ny fahoriany ny firenena amin’izao fotoana izao. Amin’ny lafiny iray koa anefa, dia kajy politika ihany fikendrena ny tanjona amin’ny fifidianana, ary ekipa natao hiasa ho amin’izany ireto farany noraisina ireto. Tsy maintsy nasiana fanoloana ilay ekipa nolazaina fa nifantenana ny atidoha amin’ny fahaizana amam-pahalalana nanaovana angoan-tenda tamin’ny fitaovan-tserasera maro samihafa. Maneho ny tsy fahombiazana tamin’ny asa aman’andraikitra amin’ny fitantanam-pirenena nampiandreketina azy izao fihetsika izao.

Tsy afak’olana ny sokajin’olom-pirenena maro samihafa eto amin’ity firenena ity tato anatin’izao fitondrana izao. Tsy maintsy misy hatrany ny lasibatra vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana. Ary tsy ny mpiasa ihany no iharan’izany, eo amin’ny fivelomany, fa hatramin’ny mpianatra ihany koa amin’ny trano fonenany na vatsim-pianarany, na ny fiantohana nampanantenaina azy toy ny manjo ireo ao Maroc. Tsy nisy fitsaharany ireo endrika samihafa nanjo ny vahoaka ireo, ny mpiasa, ny mpianatra, ny ray aman-dreny.

Ankoatra ny fahasahiranana amin’ny fiainana andavanandro, ny zava-doza mamono ny vahoaka, dia ny resaka tsy fandriampahalemana. Niha-loza ny habibiana nitranga tato ho ato, dia ny nisian’ny fanapahan-doha maromaro tany amin’ny faritra samihafa, indrindra tany atsimotsimo tany. Miendrika fahapotehan’ny firenena izany, kanefa olana zary tsy voavahan’ny fitondrana. Ny momba ny vaky fasana, ny fakàna voamason’olona tsy an-kifidy na kely na lehibe. Loza manjo ny firenena izay tsy ahitan’ny fitondrana izao vahaolana izany. Andrasana ho potika bebe kokoa noho izao ve ity firenena ity vao samy ho tonga saina? Hoy ny olom-pirenena iray izay. Ny olom-pirenena eto amin’ity firenena ity, any aminy ny vahaolana amin’izany.