TIM Antananarivo Renivohitra – Asaramanitra ao amin’ny Magro Behoririka ny zoma izao

Niaina

Hanatanteraka fifampiarahabana tratry ny taona ao amin’ny Magro Behoririka ny zoma izao, ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) eto Antananarivo Renivohitra. Hihaona ao mandritra io Asaramanitra io ny avy amin’ny antoko avy amin’ny Boriboritany 6 eto an-drenivohitra.

Araka ny fanambarana avy amin’izy ireo:

”ny Antoko Tiako i Madagasikara Antananarivo renivohitra dia hanatanteraka: fiarahabana tratry ny taona sy fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Ny Zoma 24 febroary 2023 ao amin’ny Magro Behoririka hanomboka amin’ny 08 Ora maraina.
Fandaharam-potoana : fotoam-pivavahana – fanentanana ny olom-pirenena – sakafo mitam-pihavanana. Manatona ny tompon’andraikitra Foko TIM ho amin’ny fanazavana fanampiny. Mitondrà fitaovam-pihinanana. Tongava maro. SAHIA MIJOROA MITSANGANA.”