Tranga mampalehelo tany Mahajanga – Baolina kitra niafara tamin’ny doro trano, mpianatra maro naratra

Stefa

Tranga mampalahelo no niseho tany Mahajanga faritra Boeny ny alahady hariva teo, niafara tamin’ny doro trano ny lalao baolina kitra nataon’ny mpianatra tany an-toerana. Tao amin’ny Campus Ambondrona, Oniversite Mahajanga : may tanteraka ny bloc 22 misy ireo mpianatra avy ao Analalava. Kila tao ny entana rehetra, fitaovam-pianarana ary ny diplaoma ho an’ny sasany. Raha ny vaovao voaray dia disadisa taorian’ny lalao baolina kitra nihaonan’ny mpianatra avy any Analalava sy Bealanana samy avy any amin’ny faritra Sofia, no niantombohan’ny adin’ireo mpianatra. Nafana ny fo ka nifampitora-bato ary niafara tamin’izao tranga izao. Tsy ny fananana iombonana sy ny fananana manokana ihany no rava sy potika, fa maro koa ny mpianatra naratra na ny andaniny na ny ankilany. Miantso ny hanokafana fanadihadina mikasika izao tranga famotehana fananana iombonana, sy fifandratrana izao ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa. Na inona olana, tsy mety ny fandorana fananana iombonana, sy fananan’olon-tsotra toy izao nitranga izao.