Samia mailo, hamafiso ny fiarovana – Mety hiditra anio alina eto amintsika ny rivodoza Freddy

Niaina

Samia mailo, hamafiso ny fiarovana, mety hiditra anio alina eto amintsika ny rivodoza Freddy. Rivodoza matanjaka (Cyclone Tropical Intense) ity rivomahery ity, miaraka amin’ny rivotra manodidina ny 210 km/h sy tafiotra 300 km/h any ho any. Tany amin’ny 1000 km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foibeny omaly ary mizotra miakandrefana hatrany. Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Vatomandry, Mahanoro, Nosy Varika, Mananjary sy Manakara anio talata alina i Freddy. Noho izay antony izay, miato ny fampianarana rehetra ao anatin’ny faritra Atsinanana hanomboka anio talata. Amin’ny alatsinainy heriny vao hitohy ny fampianarana.

Mitsahatra ihany koa ny fifamoivoizan’ ireo Taksibrosy mampitohy an’i Toamasina, Vatomandry, Mahanoro aorian’ny anio talata amin’ny 12ora atoandro mandrapitonian’ny toetrandro. Hikija ny rotsakorana (hihoatra ny 180 mm), hahery be na hisamboaravoara ny ranomasina (hihoatra ny 10 metatra) ary ahiana mafy ny fiakaran’ny ranomasina indrindra manamorona ny faritra hidirany an-tanety. Filazana fanairana miloko maitso : Analanjirofo, Atsimo Atsinanana, Alaotra, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Menabe, Ny distrikan’i Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Morombe ary Toliara I-II.

Araka izany dia iangaviana ireto faritra ireto mba hanamafy ny fiomanana ka hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana loza manambana miloko mavo : Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany

Iangaviana ny mpampiasa ranomasina manomboka any Sambava ka hatrany Cap Ste Marie, mba tsy hiandriaka intsony manomboka ny alatsinainy alina, satria hiha-ratsy ny toetry ny andro nohon’ny alondrano izay haterak’i FREDDY. Entanina ny rehetra, mba hanaraka akaiky ny ho fivoaran’ity rivodoza ity ary hanaraka mandrakariva, ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. Namely mafy ny tatsy amin’ny Nosy Maorisy ity rivodoza ity omaly.