EDITO 21 Febroary – Fitondrana Rajoelina sy famokaram-bary – Resaka sy kabary ka mba hatao

Sôh’son

Efa resabe fampiesonana fotsiny sisa izay ambaran-dRajoelina ato anatin’izao 7 volana haha eo amin’ny fitondrana azy. Ambara hatrany eto amin’ny gazety, fa « akoho tsy naneno ohatr’izay, lanin’ny kary ». Tsy ny fitondrana Rajoelina mihitsy no hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, indrindra ny ara-bary, ka sady hanondrana any ivelany. Resaka fe resaka ka mba atao, toy izay efa natao rehetra teo aloha izay. Efa tany am-piandohan’ny fitondrany no nilaza fa hotanterahina ny ezaka famokaram-bary sy ny sisa, fa aiza izany amin’izao fotoana izao?

Efa niaraha-nahita ny fomba fiasany sy ny zavatra nataony ary ny fiheverany an’io sehatra amin’ny famokaram-bary io, efa hatrany amin’ny andron’ny tetezamita nitondrany sy mandraka ny ankehitriny. Tamin’izao fitondrany farany izao aza, mifanohitra amin’izany no iaraha-mahita, fa miha-mitombo hatrany ny fanafaram-bary any ivelany. Miha-lafo hatrany ny vidim-bary eto an-toerana, ary na nihafy niharitra ny fiakaran’ny vidim-bary izay efa tafahoatra lavitra tamin’ny fampanantenana nataony nandritry ny fampielezan-kevitra aza ny vahoaka malagasy, dia efa tsikaritra ho manomboka ho reraka amin’izay. Ho hatraiza izay faharerahany izay? indrindra amin’ny ankapobeny amin’ny fidangan’ny vidim-piainana na ny vidin-javatra? Hisy fipoahana ara-tsosialy ve? Izany ve no mampikoropaka ny fitondrana Rajoelina ankehitriny, ka hatsahatra ny asa amin’ny fotodrafitrasa, fa ny sosialim-bahoaka no iarahan’izy rehetra manao indray izao? Efa tara loatra. Tsy vita ao anaty 7 volana velively, na haniry nify aza ny akoho araka ny fitenenana, ny fanarenana io sosialim-bahoaka io. Mba hanao ka mba hanao indray, fa lavaka be natao an-tsirambina amin’izany, fa variana nanao kajikajy politika fotsiny isak’izay mihetsika, tsy ho tototra intsony n’inona n’inona hatao. Raha mbola rovitra omby tondro tsy niraika, fa efa omby loha vao mody mikoropaka.

Izao indray aza, mbola misy ny fanotofana na fanapotehana tanimbary ho atao lalambe migodana. Mba firy hektara re ny velaran’ny tanimbary ho lasa sorona amin’izany? Tsy vitan’ny vava fotsiny ny manonitra izany, ka hanao tanimbary vaovao ho setrin’ny nopotehina. Voka-bary aman-taonina maro no foana ao anatin’izany kanefa ny setriny…? Hanafatra vary hatrany? Tsy misy tetikasa momba izany fanaovana toeram-pamokarana vaovao izany re tamin’izao fitondrana izao. Saika homena ny vahiny indray aza ny tany fambolen’ny malagasy no fantatra teo aloha. Dia tsy voajery mihitsy ilay malagasy tantsaha, fa manao mpitari-bato vilam-bava fotsiny rehefa tonga amin’ny toerana iray ka milaza fa mitsinjo ny tantsaha. Resaka na kabary ka mba hatao. Ahoana izao ny namahana ny olan’ireo tantsaha, teny amin’ny toerana hanombohana hanaovana ny lalambe migodana, izay nitaraina sy nalahelo mafy? Ny tany famboleny noesorina teo aminy, ny setrim-bidin’izany anefa zary tsy fantatra mazava, ary na hisy aza tsy araka ny sandany akory ka tsy hahafa-po azy ireo? Karazana tery vay manta ihany no natao azy ireo. Toy izany hatrany no mahazo ny vahoaka malagasy eto amin’ity firenena ity.