AKON’NY FIHAONAN’NY MPIASA

Fanjakana be kabary fa tsy mahaloa karama,
Izay no misy ankehitriny raha ny tatitra voaray.
Ny hany mba voalambolambo dia ny tary sy ny akama,
Fa ny ankoatr’izay,indrisy, miaritra ny mahamay!

Laingalainga no mibahana, ary koa ny andrasoandraso.
(Be dia be ny peta-toko sy ny nofy tsy ho tanteraka!)
Raha fehezina dia tsotra: fanjakan’ny malaso,
Ka dia marobe ny mpiasa no efa noana sady reraka!

Fampiakarana karama, impiry impiry notenenina,
Saingy dia mitranga mihemotra toy irony lelon-jaza.
“Tsy mikaton-dohamalemy” no mitondra fa tsy afenina,
Hany ka tsy mahagaga, tsy voahaja izay voalaza!

Dia ny mpiasa no migoka sy mivesatra ny vokany,
Ary mihamahantra hatrany, tsisy fivoaram-piainana.
Ny nakotrika rehetra dia nivadika ho lamokany.
Ny mpitondra anefa, indrisy, tena tsy azony itarainana!

…Ka izany no hanaingàna f’efa tena “lera izao”.
Aoka tsy ho variana intsony ry mpiasa Malagasy.
‘Ndao hihetsika amin’izay fa mila izany izaho sy ianao.
Mila esorina ny ratsy tsy hibahana eto an-dasy!

DADAN’i ZINA (19-02-23)