Tsimbazaza sy Anosikely – Hametraka ny filoha lefitra faha-7 an’ny mpanohitra ny RMDM

Helisoa

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny QG ny TIM, Bel’Air Ampandrana omaly, ny rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara: RMDM, mikasika ny raharaham-pirenena. Nitarika izany ny filoha lefitra isany avy any Toliara sy Fianarantsoa, Pasitera Edouard Tsarahame sy Tabera Randriamanantsoa ary ny sekretera jenaraly Olga Ramalason.

Voalohantenin’izy ireo tamin’izany ny fiarahabàna ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, izay tonga soa eto an-tanindrazana indray. Ny RMDM dia tsy mitsahatra ny mitady vahaolana ho an’ny tanindrazana hoy izy ireo. Tsy mijanona amin’ny teboka iray ihany fa mitady ny vahaolana ahitan’ny vahoaka Malagasy ny anjara masoandrony. Koa noho izany, miezaka ny RMDM miresaka amin’ireo vondrona maro samihafa sy antoko politika amin’ny fotokevitra izay efa nijoroany hatramin’izay, mifanaraka sy mifampiresaka hitadiavana ny marimaritra hiraisana ho tombontsoan’ny firenena, ka hametrahana ireo hambompo diso toerana, mba hijerena ny vahoaka maro an’isa. Koa mbola miantso ireo antoko na fikambanana hafa ny RMDM ahafahana manatanteraka izany, mba hitadiavana vahaolana ho an’ny tanindrazana.

Teboka telo no tiana ho aroso ho an’izay te hiresaka amin’ny RMDM. Ilaina ny fikaonandoham-pirenena ho entina mamaha ny olana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ho avy. Hita fa manalasala ny fikarakarana ny fifidianana. Fifidianana madio mangarahara no tokony hatao eto. Zon’ny vahoaka Malagasy maro an’isa no mifidy, ka fifidianana tsy misy disadisa no atao eto amin’ity firenena malalantsika ity. Ny RMDM dia fatra-panaja lalàna fa tsy ohatra ny sasany. Misy lalàna izay tokony hametrahana ny filoha lefitra faha-7 eny amin’ny Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona: eny Tsimbazaza sy Anosikely, ka ho apetrakay eny amin’ireo andrim-panjakàna ireo io filoha lefitra io hoy izy ireo. Koa miandry ny mpitondra hanao ny didy fampiharana izahay hoy ny mpitondra tenin’ny RMDM ny Pasitera Edouard Tsarahame.