Amperin’asa sy misotro ronono – Hirohotra ao Antsahamanitra anio ny mpiasa rehetra

Isambilo

Na amperin’asa, na misotro ronono, hirohotra ho ao Antsahamanitra anio ny mpiasa rehetra eto an-drenivohitra. Misy amin’izao fotoana ny tsy fampiharan’ny fitondrana Rajoelina ny tombontsoa tokony ho azon’ny mpiasa eto amintsika, na ny amperin’asa io, na ho an’ireo zokiolona efa misotro ronono. Noho izay antony izay, no anisan’ny anton’izao hetsika izao, izay karakarain’ny SSM, Solidarité Syndicale de Madagasikara, na ny Firaisankinan’ny Sendika eto Madagasikara. Hampiseho ny tanjany ny mpiasa anio, ho fanatsarana ny sehatry ny asa sy ho fisitrahana ireo zony.

Handinihana ihany koa izany ireo olana ara-tsosialin’ny mpiasa rehetra, ankoatra ny fifampiarahabana tratra ny taonan’ny mpiasa. Mbola tsy tratra aoriana tokoa, na amin’izao tapaky ny volana febroary izao aza vao mifampiarahaba tratra ny Asaramanitra izay, aleo tara tokoa toy izay tsy misy. Hisokatra manomboka amin’ny 7 ora maraina ny varavarana hoy ny mpikarakara.