Transparency International Madagasikara – Loza mitatao ho an’ny hazo sarobidy malagasy ny kolikoly

Aly

Loza mitatao ho an’ny hazo sarobidy eto Madagasikara ny kolikoly, araka ny fanadihadiana nataon’ny TI-MG, na ny Transparency International Initiative Madagasikara. Maneho ny ambana sy ny fanamby ho an’ny faritra Menabe ny fikarohana nataon’ny TI-MG mahakasika izany.

Nanolotra ny vokatry ny famakafakana, momba ny lalàna sy ny famantarana ny karazana kolikoly, manambana ny sehatry ny hazo sarobidy any amin’ny faritra Menabe ny fikambanana Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG) afak’omaly. Iray amin’ireo loza mitatao lehibe indrindra eo amin’ny ala voajanahary eto amin’ny firenena ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy.

Namantatra ireo ambana kolikoly isan-karazany eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy ity fanadihadiana ity. Anisan’ny ambana kolikoly hita eo amin’io sehatra io ny fanararaotana fahafantarana olona, ny fanararaotam-pahefana, ny tsolotra ary ny « kolikoly manome sy mandray ».

Ity asa fikarohana ity ihany koa dia nijery sy nandinika ireo lalàna manankery mifehy ny sehatry ny hazo sarobidy eto Madagasikara. Na dia eo aza ny hamaroan’ny lalàna eo amin’io sehatra io, dia betsaka ny tsy fahatomombanana sy lesoka hita. Misy elanelana goavana eo amin’ny lalàna voasoratra sy ny fampiharana azy, manjary misy fiantraikany ara-toe-karena ihany koa ohatra : ny lalàna mandrara ny fanapahana hazo, ary miteraka olana ihany koa ny fanasokajiana ny hazovola.

Ao anatin’ny tetikasa antsoina hoe « Ady amin’ny kolikoly sy fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary» tohanan’ny USAID na ny Rafitra Amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena, ary iarahan’ny WWF, ny TRAFFIC International, ny Alliance Voahary Gasy (AVG) ary ny TI-MG misalahy, no nanatanterahana ity fikarohana ity. Ny tanjona dia ny hampihenana ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny harena voajanahary, mba hanatsarana ny vokatra azo amin’ny fiarovana sy ny fiantraikany amin’ny sehatry ny hazo sarobidy sy ny harena voajanahary.