Mpilatsaka an-tsitrapo amerikana – Hanohana ny fahasalamana eny ifotony ireo Peace Corps vao tonga

Aly

Tonga eto Madagasikara afak’omaly, ny mpilatsaka an-tsitrapo miisa 23 avy amin’ny Peace Corps amerikana, izay miezaka mamerina ny fandaharanasany taorian’ny fampodiana ireo mpilatsaka an-tsitrapo maneran-tany ny taona 2020 nohon’ny valanaretina Covid-19. Nitsena azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina ny Talen’ny Peace Corps eto Madagasikara, Brett Coleman, sy ireo mpiasan’ny Peace Corps hafa, anisan’izany i Amanda Martin, Talen’ny Fandaharanasa sy ny Fampiofanana, sy i Tovo Ghislain Ravelonjatovo, Talen’ny Fandaharanasa momba ny fahasalamana, izay hiasan’ireto mpilatsaka an-tsitrapo vao tonga ireto. Hiatrika fiofanana momba ny teny sy ny kolontsaina mandritra ny roa ambin’ny folo herinandro ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo, mialohan’ny hiparitahany any amin’ny toerana hanatanterahany ny asany; hiasa mandritra ny roa taona izy ireo, hampiroborobo ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary koa hanohana ireo tetikasa momba ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana.

Nomarihin’Andriamatoa Coleman, Talen’ny Peace Corps eto Madagasikara hatramin’ny taona 2019, fa ny fahatongavan’izy ireo dia midika fa hiasa tsy ho ela eo amin’ireo sehatra telo tohanan’ny Peace Corps eto an-toerana ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Ireo sehatra ireo dia ahitana ny fanabeazana sy ny fambolena ary ny fahasalamana. “Sambany taorian’ny fampodiana ny taona 2020, no hanana mpilatsaka an-tsitrapo hiasa eo amin’ireo sehatra telo rehetra ireo izahay. Faly tokoa izahay hanavao ny fiaraha-miasanay amin’ireo vondrom-piarahamonina izay iasan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo”, hoy i Coleman.

Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 35 vaovao indray, no ho tonga eto Madagasikara ny volana septambra 2023, hanohana ireo tetikasam-pambolena eto an-toerana, anisan’izany ny fambolena legioma mifandraika amin’ny toetr’andro hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny Peace Corps dia mikasa hanatratra indray ho 150 ny isan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo am-perinasa eto Madagasikara toy ny talohan’ny valanaretina Covid-19.

Tamin’ny taona 1961 no noforonin’ny Filoha Amerikana John F. Kennedy ny Peace Corps. Hatramin’ny fotoana nijoroany, ny Peace Corps dia nifantoka hatrany tamin’ny fampiboroboana ny fandriampahalemana maneran-tany sy ny fihavanana ary tsy nivoana tamin’izany. Hatramin’ny taona 1961 dia mihoatra ny 241000 ireo mpilatsaka an-tsitrapo niasa tamin’ny firenena 141 ka ny 1595 tamin’ireo dia niasa teto Madagasikara. Hankalaza ny faha telopolo taonany ny Peace Corps Madagasikara ny volana novambra 2023.