Antoko TIM Mahajanga – Tsy diso anjara tamin’ny fifampiarahabana tratra ny Asaramanitra

Niaina

Tsy diso anjara tamin’ny fifampiarahabana tratra ny Asaramanitry ny taom-baovao koa, ny mpitarika avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) any amin’ny renivohitry ny faritra Boeny. Nifampiarahaba tratra ny taona vaovao tao amin’ny Tiko Mahajanga Be izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Tamin’izany no nanomezana azy ireo toromarika, ny amin’ny fanentanana hatrany ny olona feno taona, hiditra hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana. Ankoatra izany, ny fanetsehana ny fototry ny antoko ihany koa, ho amin’ny fiatrehana ny fifidianana filohampirenena ho avy, sy ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina, izay tokony hatao amin’ity taona ity avokoa. Niray feo koa izy ireo, mangataka ny filoha Marc Ravalomanana, hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filohampirenena hatao amin’ity taona ity io.