Tsy milamina i Morarano Gara – Trano iray nisy nandoro, mpampianatra nisy naka an-keriny

Stefa

Tena tsy milamina amin’izao fotoana ny any amin’ny kaominina Morarano Gara any amin’ny distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro. Omaly vao mangiran-dratsy, tokony tamin’ny roa ora maraina teo, trano iray: lakozia no nisy nandoro, soa ihany fa hita mialoha ny afo, ka tsy niitatra tamin’ny trano lehibe, tany amin’ny fokontany Ambohibarikely.

Ny nahagaga tamin’ity tranga ity, nisy alika tao amin’io toerana io, nefa tsy nivovo izany alika izany, midika fa olona tsy nivahiny tao amin’ity toerana ity no iantefan’ny ahiahy tamin’ny fandorana. Tany amin’ny fokontany Ambohidray, mpampianatra iray sy ny zanany, nisy naka an-keriny, nitaky vola 5 tapitrisa Ar ireo mpaka an-keriny tamin’izany.

Ny alatsinainy lasa teo, mpitana Mvola iray nisy nanafika tokony ho tamin’ny 12 ora alina, tao amin’ity fokontany Ambohidray ity ihany. Miantso ny tompon’andraikitra, hijery akaiky izao tsy fandriampahalemana izao ny any an-toerana.