MBOLA TANY TAN-DALÀNA VE ?

Mbola iainana eto ve ny atao hoe “tany tan-dalàna”,
Sa dia tena sarisary mody notefena ihany?
Ireo mijoro manakiana, indreo alefa am-pigadrana,
Amin’izay dia tsy afa-mihetsika fa mimpirimpirina any?

Mbola iainana eto ve ny atao hoe “tany tan-dalàna”,
Sa ny tian’ny mpanambola no tsy maintsy tanterahina?
Kolikoly no malaza sy manjaka eto an-tanàna,
Ka hatramin’ny volamena miova tampoka ho varahina!

Mbola iainana eto ve ny atao hoe “tany tan-dalàna”,
Sa ny vola no miteny, vola ihany no mahery?
Ka dia ny mpanapitrisa no mibaiko fitsarana,
F’efa azy ny rehetra, tena azy samy irery?

Mbola iainana eto ve ny atao hoe “tany tan-dalàna”,
Mba valionareo mpitsara, sa ‘nareo voatampim-bava?
Misy ve tsikombakomba iarahana amin’ny fitondrana?
Io anefa raha izao, tsy ho ela intsony dia ho rava!

DADAN’i RIANA (15-03-23)