Fisoratana amin’ny lisi-pifidianana – Adidy tokony hataon’ny olom-pirenena hoy Ravalo

Isambilo

Nandritra ny fifampiarahaban’ny antoko TIM Alasora Avaradrano farany teo, teny amin’ny Yandy By-Pass, no nanambaran’ny filoha Marc Ravalomanana filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, fa adidy tokony hataon’ny olom-pirenena rehetra feno taona no misoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana, mbola misy rahateo ny fotoana hatramin’ny faran’ny volana mey ho avy izao. Izany no atao hoy i Dada dia mba hialana sy hisorohana ny hosoka. 3 volana eo dia hifarana izay fisoratana anarana izay eny anivon’ny fokontany, noho izay antony izay, mbola manamafy ny fanentanana ny rehetra ho eny amin’ny fokontany izay mbola tsy nisoratra anarana tany.

Raha araka ny tarehi-marika navoakan’ny CENI: vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, mbola betsaka ny tokony hatao hampidirana ireo olona feno taona ao anatin’izany lisitra izany. Eto Antananarivo aza, ao amin’ny Boriboritany iray, vao atsasa-manila maherin’ny olona feno taona no voasoratra anarana. Ny fisoratana anaran’ny olona maro ao amin’ny lisi-pifidianana dia midika, fa tsy misy ho voailika ho amin’ny fanefana ny adidiny amin’ny fifidianana ny olom-pirenena iray. Mbola manohy ny fanentanana ny rehetra noho izany ny ao amin’ny birao politikan’ny antoko TIM, ireo olom-boafidin’ny antoko: depiote, ben’ny tanàna, mpanolotsaina, ny tanora, ny vehivavy TIM,… amin’izay fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana izay. Ho avy ihany koa ny fotoana avy eo, amin’ny fanentanana ny rehetra handeha hifidy rehefa tonga ny fotoana hoy ny filoha Marc Ravalomanana.