Raharaha Rolly Mercia. Fitondrana Rajoelina – Fanagadrana, fanapotehana ny tsy mitovy hevitra no lehibe indrindra

Andry Tsiavalona

« Izay tsy miady olombodo, fa izay to-fo mpamosavy » ary « aleo very tsikalankalam-bola toy izay very tsikalankalam-pihavanana », hoy ireo fahendrena malagasy. Efa tsy iainan’ny gasy intsony, angamba tsy vao izao, satria efa novolen’ny mpanjanaka ny fitiavantena sy ny fanompoana vola. Nandritra ny fanjanahantany tokoa no nisy ny gasy nivarotra ny mpiray tanindrazana taminy, noho ny fitiavantena sy ny fisolelahana ary ny fitia te-hanankarena tampoka. Nitohy izany satria nozarain’ny mpanjanaka ny malagasy tamin’ny fanganana ny antoko politika ho an’ireo nolazaina, fa tsy mpandova na voahilikilika dia ny Parti des Déshérités de Madagascar (PADESM) nentina nanohitra ny MDRM.

Arakaraky ny toe-draharaha dia mihofo manaraka izany koa ny anaran’ny antoko politika, ka ny PADESM niova Parti Social Démocrate (PSD) ary ny MDRM lasa Antoko Kongresista ho Fampandrosoana an’i Madagasikara (AKFM). Tsy mijanona eo ny fihofoana fa na ireo antoko niandohana ireo aza dia nivakivaky ary ny mpikambana sasany kosa nisintaka ka nanangana antoko hafa. Ny RPSD teraka avy tao amin’ny PSD, ny tao amin’ny AKFM namorona ny AKFM Fanavaozana rehefa nitsangana ny Repoblika Demokratikan’i Madagasiakara. Talohan’izany dia nisy mpikambana sasany tao amin’ny Antoko Monima nanangana ny MFM ary rehefa lasa sosialista ny firenena dia nivaky ihany koa ny Monima, ka nipoitra avy ao amin’ny Monima Ka Miviombio ny Monima Remanindry Jaona sy ny Monima Tsihozony Maharanga.

Ny zava-doza naterak’izany dia nifanenjika sy nifanabaty ireo niara-dia teo aloha. Amin’izao Repoblika IV-2 izao dia miverina ny fanenjehana ny olompirenena tsy ao anatin’ny fitondrana na manohitra ny fitondrana eo amin’ny sehatra rehetra. Ny mpanjanatany no nanao izany ary notohizan’ny mpitondra tamin’ny Repoblika I dia nisy ny mpanao gazety niditra am-ponja matetika noho ny lahatsoratra navoakany. Araka izany dia nisy ny sivana sy ny fandraofana ny gazety efa teny amin’ny toeram-pivarotana. Niha-mafy ny fanenjehana nandritra ny Repoblika II ka tsy vitsy ny mpanao politika nigadra na nalefa tany amin’ny toerana manokana (en résidence surveillée) ary nisy ireo voampanga ho nifofo ny ain’ny filohan’ny Repoblika tamin’izany. Nitohy ary nitombo ny fifankahalana sy ny fifanenjehana ary ny famonoana an-kolaka mihitsy ny tsy miara-dàlana na ao amin’ny fitondrana na eo anivon’ny vondrona politika, na samy mpiaradia ao amin’ny antoko kanefa mety tsy mitovy fomba fijery. Nivadika ho fandrisihana fifankahalana teo amin’ny samy Malagasy izany nanomboka tamin’ny fiampitàna teo amin’ny Repoblika III-2 sy Repoblika III-3, ka namoronan’ny Amiraly Ratsirak Didier ny Faritany mizakatena ka nananganana barazy tany Brickaville sy tany amin’ny tetezan’i Kamory ary ny fanapahana ny tetezana tany Fatihita. Tsapa fa ny mpanohana an-jambany (extrêmistes) ihany no saika manatanteraka an-jambany ny baiko omena na iraka ampanaovina azy. Saika niafara tamin’ny fifofoana ny ain’ny Filoha am-perinasa, Ravalomanana Marc, ny fankahalana hasisika ao an-tsain’ny marivo salosana sy fiheverana fa hahazo tombontsoa manokana ateraky ny fanatanterahana izany. Niha-mafy sy nahazo laka izany fifankahalana sy fifanenjehana ary fifamonoana izany nandritra ny tetezamita sy amin’izao Repoblika IV-2 izao.

Ny tranga tena manahirana dia na ireo olontsotra na mpanao politika na mpiaradia ary nanohana sy nanao izay nametrahana an-dRajoelina Andry teo amin’ny fiitondrana aza dia lasa fahavalony ka vonoina amin’ny fomba an-kolaka. Porofon’izany ry Rajaonah Mbola, Rolly Mercia, Berija, sns,… Mazava ho azy izao ny antony tsy namoahana tany am-ponja an’i Rolly Mercia noho ny famotsoran-keloka (grace présidentielle) nataon’ny filohan’ny Repoblika, ka nanagadran’ny fitsarana azy telopolo volana indray araka ny didy nivoaka ny fiandohan’ny herinandro teo. Mazava ho azy fa matoa tsy sahy nanome baiko namoahana azy ny filohan’ny Repoblika dia satria ny tena tompom-pahefana ao an-dapa mihitsy no nitory azy. Tafaverina an-tanindrazana ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, kanefa dia notsenain’ny didy navoakan’ny fitsarana manameloka ny vadiny herintaona an-tranomaizina sy handoa lamandy iray tapitrisa ariary, izay soa ihany fa sazy mihantona noho ny firaisana tsikombakomba tamin’i Rolly Mercia, hono. Fanapempoana sa famendrofendroana sa fandranitana sa fampitahorana fa tsy mbola maty voalavo an-kibo ny filohan’ny Repoblika Rajoelina sy ireo mpiaradia aminy? Fankahalàna sy famonoana, fanapotehana, fanenjehana ary fanagadrana ny tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra no lehibe indrindra.