EDITO 16 Febroary – Tsy takona afenina intsony ny olana ara-toekarena

Sôh’son

Mandalo krizy ny sehatra ara-toekarena, ary lafiny iray amin’izay ny vokatra lavanila. Miaiky ny minisitry ny fampiroboroboana ny varotra, fa mandalo krizy io vokatra io, indrindra eo amin’ny lafiny varotra noho ny tsy fisian’ny mpanjifa. Hany ka mijanona fotsiny any amin’ireo mpamokatra sy ireo mpandraharaha misehatra amin’izany ny vokatra lavanila aman-taoniny maro. Nisy ny adihevitra sy dinika na fivoriana tetsy sy teroa, hatrany amin’ny lapam-panjakana nitadiavana ny vahaolana ny amin’izany. Nisy ny fepetra noraisina izay namerana fotoana, ka dia ho hita eo ny vokany. Hatreto aloha, tsy nahavaha olana ny amin’ny fampitomboana ny toekarena izao fitondrana izao. Ny hita aza dia niha- nitotongana ny toekarena malagasy. Manaporofo izany, raha tsara ny taha-pitomboana ara-toekarena teto Madagasikara tamin’ny taona 2008, taorian’ny fanonganam-panjakana notarihin-dRajoelina Andry, dia nikorosy ny toekarena.

Nilaza ny fisian’izany toe-javatra izany, ny fitondrana Rajaonarimampianina, nandimby ny fitondrana tetezamita, fa toekarena potika no noraisiny. Niha-tafarina indray izany nanomboka teo hatramin’ny taona 2019 nitondrany. Taorian’izay indray anefa ary efa ho dimy taona latsaka nitondran-dRajoelina dia nikorosy indray ny toekarena malagasy ary izao tsy tafarina izao mihitsy. Natao avokoa sy nambara izao zavatra rehetra izao, lehibe amin’izany ny IEM niova ho P.E.M, dia tsy hay intsony ny tohiny, fa mbola mihitsoka ihany ny sehatry ny toekarena. Mbola sahirana mafy hatrany ara-pihariana ny sarambabem-bahoaka. Na inona na inona terahi-marika lalaovina sy ambaran’ny fitondrana, ny hita maso sy iainan’ny vahoaka ihany, no porofo azo tsapain-tanana. Raha milamina izany sy mihatsara, dia miakatra izay ny taha-pitomboana ara-toekarena, fa raha mifanohitra amin’izany kosa, dia zary lainga sy habobo ny ambaran’ny fitondrana.

Milaza ny mpanohana na ireo mpanara-dia ny fitondrana fa efa 80% amin’ny nofaritan’ny fitondrana no vita. Tsy hitan’ny vahoaka sy azony tsapain-tanana akory anefa izany. Raha io tarehi-marika io no marina dia efa nisy fiovàny be ny fiainam-bahoaka. Tsy izany anefa no iaraha-mahita sy miaina, raha tsy hijery haka ho ohatra ny zava-misy iainam-bahoaka eto an-drenivohitra. Niha-ratsy endrika sy tontolo iainana i Antananarivo. Ny lalana potika izay saika aleha rehetra, ny fako mihandrona mahatsiravina isak’izay arabe andehanana. Maloto i Antananarivo no sady simba, fihemorana izany. Lasa lavitry ny fandrosoana efa nisy tany aloha elaela tany ilay renivohitr’i Madagasikara. Io anefa no itarafana ny fandrosoan’i Madagasikara manontolo. Efa ela no niditra krizy ity firenena ity, fa ezahina takonan’izao fitondrana izao hatrany amin’ny fomba samihafa izany.