NY MIFANKATIA

Ny mifankatia, fantaro, tsy ilay mifampijery
Dia miaraka mitsiky sy miteny hoe “tiako ianao”.
Tsy ‘zany fotsiny fa mila teny mamy mampahery,
Sady tena mifanohana amin’izay rehetra atao!

Ny mifankatia, fantaro, tsy ilay mody mifamihina,
Dia mampiasa orokoroka mba ho marika, porofo.
Tena fitaka ny sary izay aseho na mody pihina,
Anehoana an-karihary ny fitiavana tsy miofo!

Ny mifankatia, fantaro, fa ilay miaraka mijery.
(Misy zotra iray iarahana, misy todika iombonana!)
Teny mamy no iraisana, lavitry ny teritery,
Sady ao ny risi-po mitory ny fahavononana!

Koa dia sambatra raha sambatra ny rehetra miara-dia,
Ka manan-tanjona iombonana sy firaisam-po maharitra.
Ireny ilay adika tsotra ho tena hoe MPIFANKATIA,
Izay azo raisina ho modely kanto sy mahafinaritra!

IRINA HO TAFITA (14-02-23)