TIM Alasora Avaradrano – Nifanitsakitro tanteraka nandritra ny fifampiarahabàna tratry ny taona

Helisoa

Fotoandehibe ho an’ny mpikatroka Tiako i Madagasikara (TIM), tao amin’ny kaominina Alasora distrikan’Avaradrano ny sabotsy teo. Noho ny taona vaovao dia nisy ny fifampiarahabàna tratry ny taona teo amin’ireo mpikatroka tao amin’ny Espace Yandy By-pass Alasora. Ny tena zavadehibe dia ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana tao an-toerana niaraka nankalaza ny taona vaovao tamin’ny TIM Alasora ary ny fahatongavan’ireo delegasiona avy any amin’ny faritra Toliara, Fianarantsoa, Atsimo Atsinanana ary avy any Ambatondrazaka.

Amin’ny maha distrikan’Avaradrano ny kaominina Alasora dia tonga nanatrika ny fotoana ireo olomboafidy: depiote, sy ben’ny tanàna ary mpanolotsaina voafidy tao Avaradrano. Hiakam-pandresena no re nanakoako tamin’ireo olona an’aliny tonga tao an-toerana satria nahazo hery entina miatrika ny fifidianana atao ny 2023. Nifanitsakitro tanteraka ny tao amin’ny Yandy By-pass, feno hipoka ny tao anatiny, sy tany ivelany. Ny ben’ny tanàna nikarakara sy nahatontosa ny fifampiarahabàna tratry ny taona izao dia i Jimmy Randriantsoa. Raha nandray fitenenana izy dia nanambara, fa mijoro Alasora hanao izay hampandresena ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana, satria ianao ihany hoy izy no azo antoka hanarina ny firenena indray. Ireo nandray fitenena rehetra avy any faritra nanatrika ny fotoana dia vonona hanatanteraka ny toromarika sy ny hafatra avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana.

Ny filoha Ravalomanana kosa raha nandray fitenenana dia nilaza fa tokana ny baiko dia ny ahazoantsika fahefana hitondràna ny firenena indray. Ny toromarika omena anareo dia ny hira faneva milaza hoe: handresy isika. Nefa tsy tonga ny fandresena raha tsy misy aloha ny fahavononan’ny tsirairay hijery ny anarany ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, satria iaraha-mahalala tsara ny zavatra nataon’ireo teo aloha, ka tsy ho azon’ireo amin’izany intsony isika hoy ihany i Dada.