Ambohitrolomahitsy, Manjakandriana – Tsy mitsinjo sy tsy mahay manampy vahoaka ny mpitondra

Niaina

Nitondra fanehoan-kevitra momba ny zava-misy any amin’ny kaominina Ambohitrolomahitsy distrikan’i Manjakandriana faritra Analamanga, ny filohan’ny Tanora TIM Ambohitrolomahitsy Jean Bosco Randriamparany. Nambarany fa tsy mahay mitsinjo sy tsy mahay manampy vahoaka ny mpitondra amin’izany kaominina ambanivohitra izany. Tsy hita ny FDL (Fond de Développement Local nomen’ny Fanjakana, tsy hita ny fanampiana hafa nomen’ny Fanjakana, nefa olona miaraka amin’ny Fanjakana no mitondra, hoy ity mpanao politika tanora ity. Ankoatra izany, tany amin’ny fokontany Analamanjaka hoy izy, nangataka tamin’ny mpitantana ny tanàna mba hanampy ny mponina satria potika tanteraka ny tafontranon’ny Sekoly EPP Analamanjaka. Efa tsy afaka ianarana intsony ny efitrano sasany. Tonga ny mpitantana ny tanána, tsy tafontrano sy fanarenana ny sekoly anefa no nentiny fa sotrobe 09, Koveta 5 ary kôpy 40. Tsy ampy nozaraina tamin’ny vahoaka aman-jatony izany.

Tokony ho laharam-pahamehana aloha dia ny zavatra tena ilain’ny vahoaka dia ny tafontrano izany, satria tsy afaka mianatra ireo mpianatra satria Simba ny sekoly. Nilaza koa izy fa misy vola vidin’ny kininina an’ny Kaominina tsy hay hoe aiza no nalehany. Mbola misy ny fitantanana hafa tsy mandeha amin’ny laoniny ao amin’ity kaominina ity hoy ihany Jean Bosco Randriamparany. Noho ireo antony ireo, nanambara ny tenany fa hanohy hirotsaka hanampy ny vahoakan’ Ambohitrolomahitsy, aoka tsy hisy ny fanakantsakanana amin’izany. Maro ireo olona malalatanana vonona hanampy ny vahoaka hoy ihany ity mpanao politika tanora ity, raha tsy misy izay sakana izay. Ny antony manosika azy hanao izany hoy i Bosco dia “Tiako NY Tanindrazako, Tiako Ambohitrolomahitsy ary tsy maintsy mandroso no tanjona.”

Nasiany resaka ihany koa ny fahapotehan’ny tanimba-rin’ny tantsaha any Ambohitrolomahitsy, izay nopote-han’ny fitondrana noho ny anaovana ilay autoroute na lalambe migodana, tsy misy fijerena izy ireo tantsaha amin’izany hoy izy.