Araka ny volavolan-tetiandron’ny CENI – Miantso ny governemanta hanaika ny mpifidy ny TIM

Nangonin’Isambilo

Miantso ny governemanta izahay hamoaka ny didimpanjakana miantso ny mpifidy handatsabato amin’ny fifidianana Filoham-pirenena mifanaraka amin’ireo volavolan-tetiandro naroson’ny CENI Nisy ny fanambarana nataon’ny antoko TIM, nandritra ny fifampiarahabana tratry ny taona nataon’ny Com-TIM Alasora teny amin’ny Yandy By-pass ny sabotsy teo, namaky izany fanambarana izany ny sekretera jeneralin’ny antoko, Rina Randriamasinoro :
” Nifarana ny faha 31 janoary 2023 lasa teo ny fanisana isan-tokantrano ho fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. Tsy tratra ny tanjona napetraka raha ny fanambarana nataon’ny CENI. Namoaka ny volavolan-tetiandro hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena ary nandefa izany any amin’ny Governemanta ny CENI. Tsy nisy resaka kosa ny amin’ny fifidianana eny anivon’ny Kaominina izay voalazan’ny Lalàna fa tokony hatao amin’ity taona ity ihany koa. Tsy misy hatramin’izao ny fahavononan’ny fitondrana hitondra fanatsarana ireo Lalàna mifehy ny Fifidianana ary mitombo ireo tsy fanarahan-dalàna ataon’ny Mpitondra manoloana ny fiomanana amin’ny Fifidianana.
Manoloana ireo zava-misy ireo, dia manao izao fanambarana manaraka izao izahay ato amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM):

MIKASIKA NY LISITRY NY MPIFIDY :

Raha ny antontan’isa navoakan’ny CENI dia manodidina ny 9.600.000 mahery kely ny Mpifidy voasoratra anarana. Mbola misy mpifidy 4 tapitrisa arak’izany no tsy voasoratra anarana kanefa zo fototra ny mifidy, ary mbola fanontaniana mipetraka ny fahadiovan’izany lisitry ny mpifidy izany. Ambaranay anefa fa fototra lehibe hahafahana manatanteraka fifidianana demokratika, marina ary azo antoka ka hanome vokatra eken’ny rehetra ny fananana lisitry ny mpifidy feno sy madio. Noho izany dia arosonay ireto sosokevitra manaraka ireto mba ho fanatsarana ny lisitry ny mpifidy:
1- Fanatanterahana fitsirihana na audit ny lisitry ny mpifidy mialohan’ny famaranana vonjimaika sy ny famaranana tanteraka. Izany fitsirihana izany dia atao mba hitiliana sy hanitsiana ny tsy ara-dalàna rehetra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy (ny anarana miverimberina, ny tsy ampy taona, ny CIN mitovy laharana, sns…) mba hananantsika lisitry ny mpifidy madio. Takianay, amin’ny anaran’ny mangarahara, ny handraisan’ireo manam-pahaizana avy amin’ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena eto an-toerana sy ny manam-pahaizana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amintsika avy any ivelany amin’izany fitsirihana ny lisitry ny mpifidy izany.
2- Fandraisana ny fepetra rehetra ho fampahafantarana ny vahoaka ny lisitry ny mpifidy mandritra ny vanim-potoana hamerenana ny lisitra eny anivon’ny fokontany hanaovan’ny mpifidy fanamarinana sy fanitsiana. Anisan’ireo fepetra tokony horaisina ireto manaraka ireto: Famelana malalaka ny rehetra hijery sy hanamarina ny lisitry ny mpifidy, fanatanterahana fivoriambem-pokonolona hamakiana ampahibemaso ny lisitry ny mpifidy, fametrahana ny lisitry ny mpifidy ao amin’ny tranonkalan’ny CENI, mba hahafahan’ny rehetra mijery amin’ny fotoana rehetra.
3- Fanatanterahana fanavaozana manokana (Révision spéciale) ny lisitry ny mpifidy aorian’ny famaranana tanteraka ny fanavaozana manontolo manomboka ny volana jolay 2023 ary mandritra ny roa volana.
4- Famelana malalaka ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena hanao ny fanentanana ny vahoaka, na amin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka na amin’ny alalan’ny haino amanjery manerana ny Nosy.
5- Fametrahana sehatra maharitra eo anivon’ny CENI, hahafahan’ny rehetra mifampidinika sy mifanakalo hevitra amin’ny fotoana rehetra ho fanatsarana ny zotram-pifidianana (Cadre de concertation permanent).

MIKASIKA NY TETIANDRO HANATANTERAHANA NY FIFIDIANANA

Miantso ny governemanta izahay hamoaka ny didimpanjakana miantso ny mpifidy handatsabato amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, mifanaraka amin’ireo volavolan-tetiandro naroson’ny CENI, mba hananan’ny rehetra toky sy tsy hisian’ny ahiahy intsony ny amin’ny hanatanterahana izany fifidianana izany.
Miantso ny rehetra ho tony sy hifantoka amin’izay amin’ny fiomanana ho fiatrehana ny fifidianana, ka samy handray ny andraikitra tandrify azy avy manoloana izany.
Mikasika ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina eny anivon’ny Kaominina, izay tokony hatao amin’ity taona ity ihany koa, dia miantso ny CENI izahay hanokatra ny adihevitra hiarahan’ny rehetra midinika ny tokony hatao ny amin’ny fotoana hanatanterahana izany.

MIKASIKA IREO LALANA MIFEHY NY FIFIDIANANA

Hamafisinay hatrany fa ireo Didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana misy ankehitriny dia tsy hahafahana manatanteraka Fifidianana madio sy marina, satria tsy miantoka ny fitovian-jon’ny kandida rehetra, ny tsy fiandanian’ny fitondran-draharaham-panjakana, ny fangaraharan’ny fifidianana, ny fandraisan’ny rehetra anjara ary ny fahamarinan’ny voka-pifidianana. Noho izany dia manainga ny rehetra hatrany izahay handray ny andraikitra tandrify azy avy, mba hisian’ny fifampidinihan’ny rehetra hanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana ireo. Miantso manokana ny Ray aman-dReny ara-panahy eo anivon’ny FFKM sy ny Fiombonambe iraisam-pirenena, mba hanao izay azon’izy ireo atao rehetra hahatanteraka izany fifampidinihan’ny rehetra izany, mba hahazoana didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana hifanarahan’ny rehetra izay hiantoka ny fandraisan’anjaran’ny rehetra sy ny filaminan’ny fifidianana.

MIKASIKA IREO TSY FANARAHAN-DALANA

Hamafisinay hatrany fa izahay dia tsy hanaiky intsony ny tsy fanarahan-dalàna rehetra sy ny hala-bato ary ny famadihana ny safidim-bahoaka toy izay nisy teo aloha. TENA VONONA izahay ny hampiasa ny herinay rehetra hiarovana ny safidim-bahoaka sy hampanjakana ny ara-dalàna sy ny ara-drariny mandritra ny zotram-pifidianana rehetra.
Noho izany :
1- Mitaky ny mpitondra Fanjakana izahay hampitsahatra ny fampiasana ny fitaovam-panjakana, ny volam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana amin’ny fanaovana ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana izay efa ataon’izy ireo ankehitriny. Ny fanohizan’ny mpitondra izany tsy fanarahan-dalàna izany dia hitarika korontana sy savorovoro eto amin’ny firenena. Arak’izany dia miantso ny CENI sy ny HCC izahay hijery akaiky sy handray andraikitra manoloana izany fandikana ny Lalàna velona eto amintsika izany.
2- Miantso ny Mpitondra hampitsahatra ihany koa ireo teritery sy tsindry atao amin’ireo Lehiben’ny Fokontany, Ben’ny Tanàna, Lehiben’ny Distrika ary ny Préfet hampiasa ny fahefam-panjakana eo ampelatanan’izy ireo, hiandany ara-politika amin’izao Fifidianana izao.
3- Manainga ireo sampan-draharaha rehetra miady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola izahay hametraka dieny izao, fomba fiasa manokana sy paikady mahomby hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly ara-pifidianana (corruption électorale) sy ny fampiasana vola maloto mandritra ny zotram-pifidianana rehetra.
4- Miantso ny vahoaka Malagasy rehetra izahay, indrindra ny Fiaraha-monimpirenena sy ny Raiamandreny ara-pivavahana ary ny Fiombonambe iraisam-pirenena, mba hanara-maso akaiky ka hitoroka sy hanakana amin’ny fomba rehetra izay fandikan-dalàna mety hitranga mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Manainga antsika rehetra hametraka dieny izao ny rafitra andrimaso manerana ny Nosy hanatanterahana izany.
5- Miantso hatrany ny fanatsarana ireo rafitra hikarakara ny Fifidianana, mba hisian’ny fandraisan’ny rehetra anjara sy ny tena fahaleovantena marina amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany, izay hitarika fahavitrihana sy fahatokisan’ny mpifidy ary haneken’ny rehetra ny voka-pifidianana.

Eto am-pamaranana dia mamerina hatrany ny fanentanana ny vahoaka Malagasy rehetra hanatona ny fokontany misy azy tsirairay avy, hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Hiverina eny amin’ny Fokontany misy antsika ny lisitry ny mpifidy amin’ny volana martsa ho avy izao rehefa avy nofaranana vonjimaika, mbola hahafahantsika manao fanamarinana sy fitarainana mialohan’ny tena famaranana tanteraka. Samia miomana sy mifanentana amin’ny fandraisan’andraikitra, mba hananantsika lisitry ny mpifidy feno sy madio ary tontolo manodidina milamina, hiatrehana ny fifidianana hametrahantsika miaraka, fitondrana hanarina ny firenena sy hitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka.”