Kaominina Ampitatafika – Nampahafantatra tolotrasa ho ana tanora miisa 600 teo

Franck Razakambelo

Fampahalalana tolotrasa miisa 3 ho an’ny tanora ao amin’ny Kaominina Ampitatafika, Antananarivo Atsimondrano sy ny manodidina, izay natao tao amin’ny “Villa Yaveh Maria’” Ambodiafotsy ny herinandro teo, no nokarakarain’ny fiadidian’ny Kaominina Ampitatafika, tarihan’ny Ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado.

Nampahafantarina ny tanora ny fianarana momba ny zaitra, ny lakozia, ny Informatika, izay amin’ny sarany 45000 Ariary, ny fiofanana momba ny fikirakirana an’ireo milina hahafahana miditra miasa amin’ny “Zone franche”, ny fiofanana hahafahana miasa eny anivon’ireny sambo mpitondra mpizahantany any ampitan-dranomasina ireny, ka mahatratra hatramin’ny 280000 Ar ny saran’ny fiofanana. Nilaza ny Ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado, fa tsy mitaky mari-pahaizana ny fanatanterahana ny fiofanana momba ny Zaitra sy ny lakozia ary ny Informatika ary mitaky fahaiza-manao mikirakira milina kosa ny fiofanana amin’ny “Zone franche”.

Nanamafy ity olom-boafidy ity, fa miainga amin’ny mari-pahaizana Bepc kosa ny fiofanana amin’ny sambo lehibe ary mbola saran’ny fisoratana anarana, “Frais de stage”, misedra fitsapam-pahaizana, mandoa saran’ny fiaramanidina ary ny saran’ny “Visa”, alohan’ny hiaingana mankany ivelan’i Madagasikara. Nilaza ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika, fa mijanona eo amin’ny fizarana fahalalana tolotrasa fotsiny ny Kaominina ary mbola nanome mivantana ny fomba hahafahan’ny tanora mifandray mivantana amin’ny mpampiofana azy ireo, raha toa ka liana hiroso amin’ny fianarana asa.

Marihina fa ho fampihenana ny trangana tsy fandriampahalemana amin’ny alalan’ny halatra maro samihafa vokatry ny tsy fisian’asa no nahatonga ny fiadidian’ny Kaominina, niroso tamin’ny fampahafantarana an’ireo tolotrasa ireo, mba hahafahan’ny tanora mandray andraikitra sy nahaleotena eo amin’ny fiainany.