EDITO 14 Febroary – Fitondrana Rajoelina – Miseho hatrany ny tsy fahaiza-mifehy ny fitantan-draharaha

Sôh’son

Tsy ho afaka amin’ity fitondrana Rajoelina ity mihitsy ny tsy filaminan-draharaha na fitantanana. Anisan’ny nampiavaka izao fitondrana izao io fomba fiasa io, ary tsy itoviany amin’ireo fitondrana teo alohany rehetra. Taorian’ny nanjo ny filoha Ravalomanana sy ireo miara-dia aminy, nandeha tany amin’ny toerana sy faritra samihafa, dia niseho indray izany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Sabotsy lasa teo, tamin’ny fotoana hitsenan’ireo antoko milona amin’ny loko manga ny filoha nasionaliny Hery Rajaonarimampianina. Efa misy fifanarahana tamin’ny tomponandraiki-panjakana iray dia toherin’ny hafa eny an-toerana sy laviny ary tsy te-hahalala izany mihitsy io olona farany io. Izay ilay lazaina fa efa fanjakan’i Baroa no misy eto. Tomponandraiki-panjakana samy mampihàtra, mba tsy ilazana hoe manampatra, ny fahefany amin’ny vondron’olona na fikambanana na antoko politika mpifanandrina aminy na mpanohitra azy. Midika ihany koa ny zava-misy toy izany, fa tsy voafehy mazava tsara intsony ny fitantanan-draharaha iandreketan’ny fitondrana eto amin’ity firenena ity. Miseho amin’ny endrika maro samihafa io tsy fahaizana io. Anisan’izany ny eo amin’ny sehatra ara-toekarena sy indrindra ara-tsosialy izay iaraha-mahita sy miaina ato anatin’izao fitondrana izao.

Anisan’ny sary ratsy tamin’izao fitondrana izao ny fandaminana nataony nandritry ny fizarana zavatra ho fitsinjovana ara-tsosialin’ireo mponina sahirana tao anatin’ny roa taona. Nisy hatrany tsy fizarana marina fa niangatra ny vatsy nozaraina. Nisy araka izany ireo tsy nahazo kanefa tena sahirana mafy, na nisy koa tsy tokony hahazo nefa nomena. Tsy nilamina ny fizarana, ary naneho ny tsy fahaizan-draharaha izany. Izao indray milaza sy miseho ho hanome laharam-pahamehana ny lafiny sosialy i Andry Rajoelina sy ny fitondrany, dia manao fizarana kely etsy sy eroa. Mazava loatra fa toy ireo nambara ireo ihany ny zavatra hitranga: hisy hahazo, ary hisy tsy hahazo indray koa na dia tokony hisitraka izany aza ny rehetra. Dia izany hatrany no iainana eto amin’ity firenena ity, ato anatin’izao fitondrana izao. Hisy ampahana vahoaka ho voatsinjo ary hisy ampahany hafa ho anjorom-bala sy atao zanak’Ikalahafa. Ny firenena sy ny vahoaka no lasa mizaka ny vokany amin’izay tsy fahaiza-mitondra izay.