Fifidianana filohampirenena 2023 – Antoko TIM – Fanambarana manoloana ny olana eo amin’ny CENI sy ny Fitondrana

FAMITINANA NY FANAMBARANA – ANTOKO TIAKO MADAGASIKARA
Antananarivo, 11 Febroary 2023,

Nifarana ny faha 31 janoary 2023 lasa teo ny fanisana isan-tokantrano ho fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy.
Tsy tratra ny tanjona raha ny fanambarana nataon’ny CENI.
Tsy misy hatramin’izao ny fahavononan’ny fitondrana hitondra fanatsarana ireo Lalàna mifehy ny Fifidianana
Manoloana ireo zava-misy ireo, dia manao izao fanambarana manaraka izao izahay ato amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM):

ϖ MIKASIKA NY LISITRY NY MPIFIDY
Mbola misy mpifidy 4 tapitrisa tsy voasoratra anarana kanefa zo fototra ny mifidy
Ambaranay fa fototra lehibe hahafahana manatanteraka fifidianana demokratika, marina ary azo antoka ka hanome vokatra eken’ny rehetra ny fananana lisitry ny mpifidy feno sy madio

ϖ MIKASIKA NY TETIANDRO HANATANTERAHANA NY FIFIDIANANA
Miantso ny governemanta izahay hamoaka ny didimpanjakana miantso ny mpifidy handatsabato amin’ny fifidianana Filoham-pirenena mifanaraka amin’ireo volavola-tetiandro naroson’ny CENI

ϖ MIKASIKA NY LALANA MIFEHY NY FIFIDIANANA
Hamafisinay hatrany fa ireo Didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana misy ankehitriny dia tsy hahafahana manatanteraka Fifidianana madio sy marina satria tsy miantoka ny fitovian-jon’ny kandida rehetra, ny tsy fiandanian’ny fitondran-draharaham-panjakana, ny fangaraharan’ny fifidianana, ny fandraisan’ny rehetra anjara ary ny fahamarinan’ny vokam-pifidianana
Noho izany dia manainga ny rehetra hatrany izahay handray ny andraikitra tandrify azy avy mba hisian’ny fifampidinihan’ny rehetra hanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana ireo

ϖ MIKASIKA IREO TSY FANARAHAN-DALÀNA
Hamafisinay hatrany fa izahay dia tsy hanaiky intsony ny tsy fanarahan-dalàna rehetra sy ny hala-bato ary ny famadihana ny safidim-bahoaka toy izay nisy teo aloha
TENA VONONA izahay ny hampiasa ny herinay rehetra hiarovana ny safidim-bahoaka sy hampanjakana ny ara-dalàna sy ny ara-drariny mandritra ny zotram-pifidianana rehetra.

Noho izany :
¬ 1-Mitaky ny mpitondra Fanjakana hampitsahatra ny fampiasana ny fitaovam-panjakana, ny volam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana amin’ny fanaovana ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana

¬ 2-Miantso ny Mpitondra hampitsahatra ihany koa ireo teritery sy tsindry atao amin’ireo Lehiben’ny Fokontany, Ben’ny Tanàna, Lehiben’ny Distrika ary ny Préfet hampiasa ny fahefam-panjakana eo ampelatanan’izy ireo hiandany ara-politika amin’izao Fifidianana izao

¬ 3- Manainga ireo sampan-draharaha rehetra miady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola izahay hametraka dieny izao fomba fiasa manokana sy paikady mahomby hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly ara-pifidianana (corruption électorale) sy ny fampiasana vola maloto mandritra ny zotram-pifidianana rehetra.

¬ 4- Miantso ny vahoaka Malagasy rehetra izahay, indrindra ny Fiarahamonim-pirenena sy ny Raiamandreny ara-pivavahana ary ny Fiombonambe iraisam-pirenena mba hanara-maso akaiky ka hitoroka sy hanakana amin’ny fomba rehetra izay fandikan-dalàna mety hitranga mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.

¬ 5- Miantso hatrany ny fanatsarana ireo rafitra hikarakara ny Fifidianana mba hisian’ny fandraisan’ny rehetra anjara sy ny tena fahaleovantena marina amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany

Eto am-pamaranana dia mamerina hatrany ny fanentanana ny vahoaka Malagasy rehetra hanantona ny fokontany misy azy tsirairay avy hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy

Samia miomana sy mifanentana amin’ny fandraisan’andraikitra mba hananantsika lisitry ny mpifidy feno sy madio ary tontolo manodidina milamina hiatrehana ny fifidianana hametrahantsika miaraka fitondrana hanarina ny firenena sy hitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka.